Araka ny fanisàmbahoaka azo antoka farany natao tao Rosia tamin'ny 2010, manodidina ny 220.000 eo ireo olona antsoina hoe Romani ampielezana (anatin'izany ireo mpiteny rosiàna, ny voambolana hoe цыгане—gypsies— dia tena mbola ampiasaina be, na eny anaty media na eny anivon'ireo akademisiàna). Ny fitambaramben'ny vahoaka ao Rosia, araka io fanisàmbahoaka io ihany, dia 143 tapitrisa. Ireo solontenan'ny Romani ampielezana dia nilaza fa manakaiky ny iray tapitrisa ny tarehimarika, saingy ireo mpikaroka kosa mino fa ao anelanelan'ireo ilay tarehimarika.
Ny tantaran'ireo Romani ampielezana ao Rosia dia efa hatrany amin'ny taonjato faha-17. Toy ireo vondrona ara-poko hafa marobe, niainan-dry zareo ny fandroahana nandritra ny andian-taona 1930 sy 1940, ary ny lalàna feno famoretana izay nandràra azy tsy hanao ny fomba fiainan-drazan-dry zareo mifindrafindra toerana (ohatra: ny lalàna tamin'ny 1956 momba ny toeram-ponenana). Kanefa, ireo vahoaka Romani dia azo lazaina ho nifanaraka tsara tamin'ny toekaren'i URSS, izay nahitàn-dry zareo toerana ho toy ny mpivarotra tao anatin'ny toekarena izay tsy dia nahitàna firy ny entana nilaina andavanandro. Ny sasany tamin'ireo Romani dia nampiasain'ireo toeram-piompiana notantanin'ny fanjakàna, na niasa tany amin'ireo indostria famokarana vy.
Rehefa rava ny URSS ary natsofoka ireo fanavoazana ny tsena halàlaka, very fihinanana ireo Romani ampielezana. toejavatra iray nantsoan'ireo mpikaroka hoe “Krizy nipitika an-joro”, noho ny tsy nisian'ny fandaharam-pampianarana sy ara-tsôsialy nifanaraka tamin'ny kolontsaina ho an'ireo vahoaka Romani tao anatin'ny URSS, ary Rosia taty aoriana.
Amin'izao fotoana izao, miaraka amin'ny fitondrana lasa fanjakana jadon'olon-tokana ao Rosia sy ny ampahany betsaka amin'ny tetibolany natokany ho an'ilay ady tsy nisy fihantsiana ao Okraina, kely ihany ny fanantenana hoe hisy fampidirana fandaharanasa ato anaty fotoana fohy hanohanana ireo vahoaka Romani. Mandritra izany fotoana izany, atao an-jorom-bàla ireo distrika onenan'ireo vahoaka Romani any amin'ireo tanàndehibe rosiàna, ary avakavahana ny olona.
Matetika ireo trano iva onenan'ireo olona Romani no nesorin'ireo manampahefana na ireo orinasa mpanao fanorenana. Ohatra, ao amin'ny faritra Perm, ao Urals, araka ny notaterin'ny 59.ru, tsy an'ireo vahoaka Romani ny tany nanorenan'izy ireo ny tranony. Ary satria izy ireo tsy mahafantatra ny zony sy tsy afaka akory hijoro hiaro ny tenany eny anatrehan'ny fitsaràna, dia misy ireo tranga hoe noravàna ny tranon'ireo Romani ary nomena ho an'olona hafa ny tanin-dry zareo. Araka ny tatitr'ireo mpanao gazety, ilaozan'ireo Romani sasany ny tafon-tranon-dry zareo mbola tsy vita akory satria mety horavàna amin'ny fotoana rehetra ilay trano, ary tsy maintsy miala malaky sy mandeha amina tany hafa ry zareo ary manorina iray vaovao.
Ohatra iray hafa ilay avy any amin'ny tanàna siberiàna ao Tjumen, toerana nisiana orinasa mpanorina iray nandrava ny tranon'ireo Romani tao an-tanàna afovoan'ny distrika, ary nanisaka ny olona ho amina vohitra iray noheverina fa hanorenan-dry zareo trano “tsara kokoa” ho azy ireny tamin'ny 2013. Na izany aza, araka ny notaterin'ny mediam-paritra 72.ru tamin'ny Febroary 2024, tsy mbola manana rano na entona manafàna ireo trano hatramin'izao, azo ambara ho simba ny làlana, ary tsy misy sekoly ao am-bohitra.
Matetika no misy ady ifanaovan'ireo vahoaka Romani sy ny Rosiàna. Nisy ady faobe nitranga tao amin'ny faritra Novosibirsk sy Penza, tato anatin'ny taona vitsy.
Fanampin'izay, noho ny fihanahan'ny kolikoly sy ny heloka bevava ataon'ny fanjakàna, misy ireo tranga izay anohanan'ny pôlisy na ametrahany mihitsy aza asan-jiolahy amin'ireo Romani am-pielezana. Araka ny asongadin'ireo mpikaroka, tsy hisy mihitsy ny heloka bevava ataon'ireo olona manana trano miorina maharitra raha tsy misy ny fanampiana avy amin'ireo masoivohon'ny fampiharana lalàna. Misy ireo tranga fantatra momba ireo manampahefana mpampihatra lalàna manohana ny fanelezana zavamahadomelina ao an-toerana sy manandrana misarika ireo olompirenena avy amin'ny foko Roma ho amin'ireny hetsika ireny. Ohatra iray ny distrika Romani iray ao Yekaterinburg, izay malaza araka ny tsilian-tsofina ho toerana iray fanaovana varotra zavamahadomelina sy ireo hetsika tsy ara-adalàna hafa ao an-tanàna. Araka izany dia nahasarika fanafihana marobe ataon'ireo “vondron'olom-pirenena” izy, izay tsy voasazy velively, raha ny marina, fa notohanan'ireo mpampihatra lalàna aza.
Tato anatin'ny taona vitsivitsy, tsy tapaka ihany koa ireo pôlisy ao Yekaterinburg ny manao fikarohana sy fisavàna an'ireo rehetra mponina any amin'ireo distrika Romani, tsy misy antony afa-tsy noho ny foko fiavian'ireo mponina any amin'izy ireny.
Iray tamin'ireo tranga farany indrindra notaterin'ny mediam-paritra rosiàna no nahavoarohirohy ireo Neo-Nazis tamin'ny filazàna ho tomponandraikitra tamin'ny fandoroana trano iray nilaozan'ny Romani nonina tao an-tanànan'i Volgograd. Araka ny nolazain'ireo mpampiasa media sôsialy tsy nitonona anarana, izay nandefa lahatsary iray, idia fomba io no làlana ho an-dry zareo “hamahàna ny olana ara-poko.” Nolavin'ny pôlisy ny maha-tena izy ilay lahatsary, ary loza nitranga fotsiny no nanazavan-dry zareo ilay afo.
Tamin'ny Febroary 2024, noravan'ny pôlisy ireo toeram-ponenan'ny Romani tao amin'ny faritra Saint Petersburg. Nizara taratasy fampiantsoana avy amin'ny tafika ho ana lehilahy 35 ry zareo, izay voatery “namoy ny fomba fiainan-dry zareo mifindrafindra toerana ary nandeha nandray anjara tamin'ilay Hetsika Manokana [ilay ady ifanaovana amin'i Okraina],” araka ny tatitra feno fireharehàna nataon'ny solontenan'ny pôlisy.
Talohan'ny nanombohan'ny famoretana nataon'ny fitondràna rosiàna tany amin'ny faramparan'ny 2010 tany, nisy andian-dehilahy nanandra-peo ho an'ny zon'ireo olona Romani ao Rosia. Ny Memorial, fikambanana rosiàna mpiaro zon'olombelona, dia namoaka fanadihadiana iray momba ireo distrika Romani ao Rosia, nanasongadinany fa ireo vahoaka Romani ao Rosia dia:
“miaina fiainana tena mafy, tsy mahazo fanabeazana sahaza, tsy manana asa, tsy mahafantatra izay ho avoaky ny ampitso—fandravàna, fandroahana na hetsika manokana. Ilay fanadihadiana dia mahakasika ny olan'ireo trano tsy voasoratra any amin'ireo toeram-ponenana, momba ny tsy fahafahana manoratra araka ny tokony ho izy ny maha-tompon-trano na tompon-tany, ary ny fahafahana mahazo entona manafàna, rano, jiro, fanabeazana ary asa. Ny fototry ny zavatra rehetra dia ny fanavakavahana mihanaka sy ny fanenjehana ireo vahoaka Romani ao Rosia”
Nambara ho mpitsikilo miasa ho an'ny any ivelany ny Memorial Center ary dia nofoanan'ny didy iray avy amin'ny fitsaràna rosiana tamin'ny 2021. Ny taleny, Oleg OIrlov, 71 taona, izay fantatra loatra amin'ny fiarovana zon'olombelona, dia nomena fotsiny sazy 5 taona fampidirana am-ponja noho ny nijoroany nanohitra ilay ady.