Miresaka momba ireo olana ara-tsosialy mielipatrana amin'ny alalan'ny hirany ilay mpihira rap any Ozbekistan

 

Ozbeky mpiangaly rap Konsta ao amin'ny lahatsarin-kirany “Sariq jiletka.” Pikantsary avy amin'ny Konsta Uz fantsona YouTube.

Tamin'ny 25 Jona, nitana ny lohatenin-gazety tamin'ny famoahana ilay hira vaovao hoe “Xavo” (Rivotra) ilay mpihira rap Ozbeky Sharif Abdullaev, izay fantatra amin'ny solon'anarana hoe Konsta. Miresaka ny olan'ny fahapotehan'ny tontolo iainana vokatry ny fandripahana ala, ny tetikasa fampandrosoana ary ny fandotoana ny rivotra ao Tashkent renivohitr'i Ozbekistan i Konsta ao anatin'izany. Mitaraina ao amin’ilay hira ity mpihira rap ity fa tsy afaka “mifoka rivotra tsara” izy, satria “toy ny ao anaty karamba (makarakara)” ny tanàndehibe, ary “nanjary nivadika volondavenona ny zava-drehetra izay fotsy”. Nomarihin'i Konsta fa ny olombelona no fototry ny olana, ​​izay miseho ho toy ny mpanapotika ary manana fahazarana manapaka hazo fa tsy mamboly izany.

Here is a music video of the song “Xavo.”

“Xavo”, iray amin'ireo hiran'i Konsta maro novokarina tao amin'ny karazana mozika antsoiny hoe “rap mampisaintsaina”. Mifantoka amin'ny fiarahamonina Ozbeky ny hiran'i Konsta, ny olany, ary ny anjara andraikitry ny tsirairay amin'ny fandehan’ny zavamisy. Ny traikefany manokana tamin'ny niasany tao amin'ny bazary (tsena) tao amin'ny tanàna niaviany Gulistan any atsinanan'i Ozbekistan no loharanon'ny aingam-panahiny sy ny maha mpiasa mpifindra monina azy any Rosia. Manodidina ny roa tapitrisa ireo teratany Ozbeky miasa ho mpiasa mpifindramonina any Rosia, izay matetika iharan'ny fanavakavahana sy fanorisorenana ataon'ny mpitandro filaminana. Amin'ny teny Ozbeky avokoa ny hiran'i Konsta, na dia niaiky aza izy fa mety ho malaza bebe kokoa raha manohy manoratra hira amin'ny teny Rosiana. “Tsy takatry ny Rosiana ny fiainako. Ozbek ny tontolonay,” hoy i Konsta nanazava ny fanapahan-keviny hanoratra hira amin'ny teny Ozbeky tamin'ny antsafa nifanaovana tamin’ny Gazeta.uz, iray amin'ireo fampahalalam-baovao lehibe indrindra ao Ozbekistan.

Ity ny lahatsary fenon'ny antsafa nifanaovan'i Konsta tamin'ny Gazeta.uz.

Ao amin'ny hirany be mpijery indrindra ao amin'ny YouTube “Odamlar nima deydi?” (Inona no holazain'ny olona?), miresaka momba ny olana ara-tsosialy ao amin'ny firenena i Konsta izay ahatsapan'ny maro fa ilaina ny mitady ny fankatoavan'ny besinimaro amin'ny fanapahan-kevitry ny fiainany manokana. Manoritsoritra ny tsy fankasitrahan'ny ray aman-dreny ny safidin’ny zanany amin’ny asa matihanina tsy mahaatra izay ataon’izy ireo i Konsta sy ny fanerena ataon'izy ireo amin'ny zanany vavy mba handefitra manoloana ny herisetra ao an-tokantrano ary tsy hisara-panambadiana, noho ny tahotra fanilikilihana ara-tsosialy.

Ity misy lahatsarin-kiran’ilay hira “Odamlar nima deydi”.

Amin'ny hira iray hafa mifandraika amin'ny tsindry ara-tsosialy mitondra ny lohateny hoe “To’y” (Fanambadiana), miseho ho toy ny lehilahy Ozbeka tsotra i Konsta izay nandany ny vola rehetra notehiriziny nandritra ny asany tamin’ny naha mpiasa mpifindra monina azy tany Rosia ary nitrosa rehefa nikarakara fampakaram-bady mihoa-pampana sy goavana. Ny hiverina any Rosia no fikasany manaraka ary hanohy hiasa ho mpiasa mpifindra monina mba handoavana ny trosany. Amin'ny alalan'ity hira ity, misarika ny saina i Konsta amin'ilay fomban-drazana fikarakarana mariazy lafatra izay tsy takatry ny ankamaroan'ny olona ao Ozbekistan, ka manery azy ireo hitrosa.

Ity ny lahatsarin-kiran’ilay “To'y”.

Naneho hevitra momba ny tantara ratsy ara-politika ao amin'ny firenena ihany koa i Konsta. Tamin'ny 6 martsa, namoaka hira iray mitondra ny lohateny hoe “Sariq jiletka” (Palitao mavo) izy ho valin'ny vaovao fa mikasa ny hanery ny mpandeha an-tongotra sy ny mpianatra ary ny mpitaingina bisikileta hanao akanjo mitarapahazavana amin’ny alina ny manampahefana hisorohana ny lozam-piarakodia. Najanon’ny Minisiteran'ny Atitany ny drafitra nataony taorian'ny fihetsiketsehan'ny vahoaka. Ao amin'ity hira ity, miseho ho tompon'andraikitra mpanao kolikoly i Konsta izay niavian'io hevitra io, mba hahafahany mahazo vola amin'ny fivarotana akanjo sy handehanana any Maldives hiala sasatra.

Indro ny lahatsarin-kiran’ny “Sariq jiletka”.

 

Misongadina amin'ireo mpihira Ozbeky i Konsta noho ny fahaizany mamorona sy ny firesahany momba ny olana ara-tsosialy sy ara-politika. Fitaratra iray ahafahan'ny fiarahamonina Ozbeky mahita ny tolona ataony ny hira rap mampisaintsaina ataony.

Ho an'ny rakikira feno ahitana ny mozikan'i Konsta, jereo ny Playlist GV Spotify eto ambany, ary hitanao ao ireo karazana mozika isan-karazany ao amin'ny kaontinay Spotify.

Mikatona ny famoahana hevitra