The Boomerang: Fanabeazana sy firotsahana sivily ao amin'ny Lohasaha afovoan'i California

Ivan Sigal, Nathan Matias, and Randy Villegas

(Havia miankavanana) Ivan Sigal, Nathan Matias, ary profesoran'ny kolejy sady mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny sekoly Randy Villegas ao Visalia, California. Pikantsarin'i Ivan Sigal (CC BY 4.0)

Ny lahatsoratra dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra notontosain'i J. Nathan Matias amin'ny fivoizana am-bisikileta 805+ kilaometatra mandritra ny Jona 2023 anangonam-bola ho an'ny Rising Voices, programan'ny Global Voices miompana amin’ fiteny tandindonin-doza/indizeny, sy ny Central California Environmental Justice Network. Manomeza ho an'ny hetsika ato.

Rehefa nohazavain'i Randy Villegas ny antony tsy tokony hipetrahana any amin'ny Lohasaha Afovoan'i California, dia azonao lazaina avy amin'ny fientanentanany maika fa handresy lahatra anao ny mifanohitra amin'izany izy.

Natombok'i Randy izany tamin'ny fijerena indray ireo fanamby atrehin'ireo tanora nihalehibe tany amin'ny tanàna toa an'i Visalia, izay nihaonanay sy Ivan Sigal taminy nandritra ny dianay am-bisikileta mihoatra ny 805 kilaometatra nanaraka ny lalan'ny Diaben'ny Mpiasan'ny Fambolena tamin'ny taona  1966. Ny takariva, nilaza taminay izy fa hizara diplaoma amin'ny andro hanaovana izany ao amin'ny lisea noho izy hany Latinx mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny sekoly ao amin'ny tanàna maro an'isa Latinx.

Nahoana moa no tsy voasolo tena araka ny tokony ho hitsiny ny olona maro dia maro? Betsaka ny antony, hoy i Randy, saingy singa roa manan-danja ny fahatakaran'ny olona ny fifidianana sy ny halalin'ny fitokisan'izy ireo amin'ny fiovana mety ho entin'izany. Ao Visalia dia 6% amin'ny Latinx ihany no manana mari-pahaizana bachelor–taha faharoa ambany indrindra ao Etazonia aorian'i Bakersfield eo akaiky (5%). Ny ampahatelon'ny mpianatra eny amin'ny lisea ao Visalia ihany no mahafeno fepetra hisoratana anarana amin'ny oniversite, ary adiny miala avy eo no misy sekoly  akaiky indrindra manana fandaharam-pianarana efa-taona. Talohan'ny nahazoan'ny ray aman-drenin'i Randy ny zom-pirenena U.S. dia nahiany ny handao azy ireo tsy misy fanampiana hanavatsava krizy tsy nampoizina. Tahotra toa izany no manakana ny mpianatra maro tsy hianatra any amin'ny oniversite na dia mahafeno fepetra aza izy ireo.

Tsy mahita ny hoaviny indraindray ireo nahazo diplaoma handeha hanohy fianarana hahazoana mari-pahaizana efa-taona rehefa tafody. Ary ahoana moa any amin'ny faritra mpandala nentin-drazana feno tsy hitsiny, hoy i Randy manontany. Noho izany, na dia mitombo aza ny fahazoan'ny Latinx mari-pahaizan'ny anjerimanontolo any amin'ireo fianakaviana mifangaro sata, dia mbola mijanona ho vitsy an'isa ry zareo eo amin'ireo matihanina sy mpitarika maha-olom-pirenena ao amin'ny faritra.

Teo ny fotoana nandrindra ny fifampiresahanay nahatsapako fa nahavita zavatra tsara i Randy tamin'ny nijanonany, ilay nanao izany ho an'ireo mpianany tao amin'ny Kolejin'ny Sequoias, izay maha-profesoran'ny siansa politika azy. Notantarainy anay ireo tantara maro izay mety heverin'ny olona ho mahakivy—ny vao nanovan'ny tanàna eo akaiky ny sary famantaran'ny sekoly nandrangaranga fanavakavaham-bolonkoditra, ireo propangandy maka ny toeran'ny gazety ara-dalàna, ny gidragidra nandritra ny volan'ny Hambo voalohany indrindra tao amin'ny distrikan'ny sekolin'i Visalia, ary ny fikasana vao haingana handravana ny tranon'olon-tsotra hananganana kianja golf. Fa isak'ireo voalaza tsirairay ireo dia misy ny fitantara-mifanohitra avy amin'olona iray nanokana fotoana hijoroana ho an'ny fiarahamoniny ary nibata fandresena.

“Eto no misy ny ady,” hoy i Randy taminay, nanondro ny lalana tsy manam-pahataperana hitondra fiovana amin'ny alàlan'ireo raharaha eo an-toerana. Amin'ny fijeriny, feno hirika ny Lohasaha Afovoany hanatsarana ny fiainan'ny olona izay voahilikilika ara-tantara tamin'ny fiainam-pirenena. Ary raha mbola betsaka ny asa tokony ho vitaina, izany no hany porofo fa mety hitondra fiovana lehibe ny fiovana kely maromaro.

Mitady hino ny mpahay siansa politika, hoy i Randy taminay, fa tsy azo inoana loatra havitrika amin'ny fiainam-pirenena ny tanora ao anaty fianakaviana tsy mizaka ny zom-pirenena U.S. satria tsy nianatra izany tamin'ny ray aman-dreniny. Saingy rehefa nanao antsafa sy fanentanana nandritra ny taona maro tao amin'ny Lohasaha Afovoany momba ny fikarohana PhD nataony i Randy, dia nahita mivantana ny fomba ahafahan'ny fikambanan'ny vondrom-piarahamonina sy ireo samy tanora manome vahana endrika fandraisana anjara maha-olom-pirenena mahery vaika.

Two touring bicycles leaned against the counter of a coffee shop.

Ny bisikiletan'i Nathan sy Ivan ao amin'ny fivarotana fisotroan-kafe iray ao amin'ny Lemaka Afovoan'i California. Pikantsarin'i J. Nathan Matias.

Matetika mihevitra ireo mpahay siansa sosialy fa mitolona mafy ireo olona tsy ary fitaovana mba hampahomby azy ara-politika, saingy nanatri-maso mivantana i Randy tamin'izay nofaritan'i Chris Zepeda-Millán ao amin'ny lahatsoratra “Weapons of the (Not So) Weak: Immigrant Mass Mobilization in the US South” [Fitaovam-piadian'ireo (tsy tena) malemy: Fanetsiketseham-bahoaka mpifindramonina tao Etazonia Atsimo]—ny fomba nahafahan'ny olona mihetsiketsika ho amin'ny fanovana rehefa miatrika fanamby iraisana sy manana tambajotra mpanohana matanjaka. Mipendrapendrana i Randy rehefa milaza taminay ny 99 Rootz, izay manohana ireo tanora Latinx handray anjara amin'ny fiainam-pirenena any amin'ireo tanàna fiompiana manamorona ny Route 99 amin'ny fomba izay hanomanana azy ireo ho any amin'ny oniversite ihany koa. Tsikaritro ihany koa fa manao t-shirt misy ny famantarana ny “Loud 4 Tomorrow”, vondrona iray miorina ao Delano miasa ho amin'ny fanovana ny sekolin'ny faritra amin'ny alalan'ny fandaminana ireo tanora mpifidy.

Na dia tsy maharesy lahatra loatra aza ny fanehoan-keviny, ny tantaram-piainan'i Randy sy ny hafanam-pony no ohatra mahery vaika tokony handrisika ireo mpianatra hiverina any amin'ny Lohasaha Afovoany handray andraikitra amin'ny maha-mpitarika eo amin'ny fiainam-pirenena. Izy no nantsoin'i Melissa Montalvo, mpanao gazety monina ao Fresno ho “boomerang” (dò-miverina) — olona iray niverina rehefa nahazo ny diplaomany. Raha tokony hitady toerana maharitra ao amin'ny oniversitem-pikarohana lehibe i Randy, dia nifindra tany Visalia, izay ampianarany siansa politika any amin'ny kolejim-piarahamonina ao amin'ny kantaon'i Tulare. Amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny sekoly an'i Randy dia iasany ny hanoritana ireo lalana mankany amin'ny fampianarana ambony ho an'ireo mpianatra ao an-toerana. Amin'ny maha-profesora azy, ireo kilasy dimy ampianariny isaky ny enimbolana no manohana ireo mpianatra ireo hanatratra ny fahafahany mitarika.

Tsy ela dia tonga ny fotoana handraisanay sy Ivan indray ny lalana. Mbola manana kilaometatra an-jatony maro izahay hanoritana ireo fotoam-piraisankina hafa, fitariham-piarahamonina sy maha-olom-pirenena manaraka ny dian'ireo Mpiasan'ny fambolena tamin'ny taona 1966. Rehefa nivoy nianavaratra izahay, ary miomana hizara diplaoma i Randy, dia tsapako ho niova ny fomba fijeriko. Nikaroka ny lasa mahasondriana aho, hitako ho mientanentana kokoa amin'ny hoavin'ity faritra mahafinaritra sy mahavaky fo ary sarotra ity aho.

Vakio bebe kokoa ao amin'ny pejy manokana ny dia ahitana ny tanjona sy lalan-kodiavin'i Nathan sy Ivan.

Tondro:
- Zepeda-Millán, C. (2016). Weapons of the (not so) weak: Immigrant mass mobilization in the US South. Critical Sociology, 42(2), 269-287.
- Boschma, J. (2016) Where Schools are Still Separate and Unequal. The Atlantic.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.