LAHATSARY: Karazana fivoizana am-bisikileta hafa

Nathan Matias sy Ivan Sigal nanomboka ny fivoizana am-bisikileta 500 maily tamin'ny 1 Jona.

Amin'ny 1 Jona, ilay mpanoratra sady mpampianatra sekoly ambony Amerikana Goatemalteka J. Nathan Matias, sy ny tale mpanatanteraka ato amin’ny Global Voices Ivan Sigal, no hiainga hanao ny fivoizana am-bisikileta 805 kilaometatra ao Californie Afovoany, manaraka ny lalan'ny Diaben’ny Tantsaha 1966 tao Californie. Ny fivoizana dia hanaovana fanangonam-bola hanohanana ny Rising Voices, fandaharan’asa fampiatiana nomerika an'ny Global Voices, sy ny Central California Environmental Justice Network.

Amin'ity horonantsary ity, manazava bebe kokoa momba ilay fandehanana am-bisikileta sy ny antony manosika azy ireo hanao izany i Nathan sy i Ivan.

Vakio bebe kokoa ny momba ny fivoizana am-bisikileta, anisan'izany ny tanjon'izy ireo sy ny lalana andalovany ao amin'ny pejy fitantaranay manokana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.