Tantara mikasika ny Sendikà
LAHATSARY: Karazana fivoizana am-bisikileta hafa
Ao amin'ity horonantsary ity, manazava bebe kokoa momba ny fanangonam-bola amin'ny alalan'ny fandehanana am-bisikileta izay hatombok'izy ireo amin'ny 1 Jona Nathan Matias sy Ivan Sigal, ary ny antony manosika azy ireo hanao izany.
Jamaika ‘mankalaza’ ny faha-75-n'ny Windrush, tena tokony ho izay ve?
"Ny rafozambaviko sy ny rafozandahiko, tamim-panantenana be, dia nandeha nankany amin'ny Fanjakana Mitambatra, firenena iray tsy dia tsara fandray loatra, mba hanampy hameno ny bangan'ny tsy fahampian'ny hery mpamokatra mora vidy ho fanorenana indray ilay firenena taorian'ny ady... tena fiainany azy manokana "
Nofoanana ny fihetsiketsehana Fetin'ny Asa tao Hong Kong taorian'ny fanjavonan'ny mpikarakara
Tamin'ny herinandro lasa teo, nohadihadiana ireo mpikarakara famoriam-bahoaka momba ny toerana nahazoan'izy ireo famatsiam-bola hanaovana fihetsiketsehana sy ny fomba hiambenan'izy ireo manoloana ireo vondrona mahery setra “mipiraty” ny diabe.
Fifidianana 14 Mey : Adim-pisiana ho an'ny ankamaroan'ny vehivavy mpifidy ao Torkia
Nanoritsoritra indray ny politikam-panabeazana manaraka ny zotram-pivavahana ny politikan'ny AKP mandala ny raitra patriarka, nanimba ny fandrosoana ara-pitsarana sy ara-pitantanan-draharaha, namarana ilay fihetsika tony eo amin'ny resaka miralenta.
‘Tsy maintsy mirotsaka anaty sendikà isika,’ hoy ilay arzantina feminista sady mpikaroka
"Tsy isalasalana fa andalam-pametrahana amin'izao fotoana izao ny fototry ny fiovàna lalina amin'ny andraikitry ny vehivavy any anatin'ireo lafiny rehetra amin'ny fiarahamonina."
Nosamborina fa noahiahiana ho mpiray tsikombakomba amin'ny vahiny ilay menavazana mpiaro ny zon'ny mpiasa ao Hong Kong
Nosamborina teo ivelan'ny fonjan'i Stanley ilay mpikatroka mpiaro ny zon'ny mpiasa, Elizabeth Tang, 65 taona, noho ny fiahiahiana azy ho mpiray tsikombakomba amin'ny vahiny rehefa avy nitsidika ny vadiny Lee Chuek Yan izay voampanga ho “nandrisika fikorontanana”.
Noraràn'i Kambodza ny rakikira ahitana ny fanafihan'ny polisy ireo mpiasa tamin'ny taona 2014
"Finoan'ny LICADHO ny hoe tsy fandrangitana ilay rakikira, ary lahateny arovana eo ambanin'ny Lalàmpanorenana Kambodziana. Malahelo noho io famerana ny fahalalahana maneho hevitra izahay."
Nalaina avy amina lamba hafa mihitsy: Nepaley mpila ravinahitra fahiny lasa mpandraharaha ankehitriny
Niverina ao Nepal ilay mpiasa mpila ranvinahitra, Krishna Raj Timilsina, ary nanomboka ny orinasany manokana mpanao fitafiana. Amin'izao fotoana izao, manolotra asa ho an'ireo mpiray tanindrazana aminy marobe ao Nepal izy.
Mety tsy maniry amin'ny hazo ny vola, fa maniry eny amin'ny kirihitra kosa izy any Nepal
Mety tsy maniry amin'ny hazo ny vola, fa maniry eny amin'ny kirihitra kosa izy any Nepal izay ampiasaina hanontana vola taratasy japoney. Antenaina fa iray amin'ireo fanondranana malaza indrindra ao Nepal ny Argeli.
Antso hisian'ny hetsika amin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny mpifindra monina: Atsaharo ny asa an-terivozona, avereno indray ny masoivohon'ny mpiasa
Vehivavy mpifindramonina no ankamaroan'ireo mpiasa an-trano any amin'ireo firenena anatin'ny CCG. Manana ny vahohony tanteraka amin'ny asan-dry zareo sy ny fiainany ireo mpampiasa. Mitanisa ny amin'izany sy manazava ny fanararaotana atao azy ireny ity lahatsoratra ity