
Sary avy amin'i Sasha Pleshco tao amin'ny Unsplash. Nampiasaina araka ny lisansa Unsplash.
Namoaka lahatsoratra miompana amin'ny angon-drakitry ny Biraom-pirenena misahana ny Antontanisa ao Moldavia miresaka vehivavy monina ao Moldavia ankehitriny ny fampahalalam-baovao anjotra Moldavy NewsMaker. Nandika sy nanitsy ny lahatsoratra mba ho mazava ny Global Voices rehefa nahazo alalana avy amin'ny NewsMaker.
Be kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy any Moldavia, ary ela velona kokoa izy ireo
Any Moldavia, betsaka kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy. Raha ny angon-drakitra natolotra, ahitana lehilahy 90 isaky ny vehivavy 100. Na izany aza, miovaova arakaraka ny taona io salan'isa io. Ohatra, hatramin’ny 14 taona, dia misy lehilahy 106 isaky ny vehivavy 100. Mihoatra ny 65 taona, 61 monja izany.
Miaina 8,6 taona bebe kokoa eo ho eo ny vehivavy. Io elanelana io dia noho ny fahamaroan’ny fahafatesana aloha loatra eo amin’ny lehilahy, indrindra ireo amin'ny taona efa miasa. Ary, araka ny filazan'ny birao, ny salanisan'ny androm-piainan'ny mponina any ambanivohitra (na lahy na vavy) dia eo amin'ny roa taona latsaka eo ho eo raha ampitahaina ny mponina ao an-tanàndehibe.
Manambady aloha kokoa ny vehivavy any Moldavia, nahita fianarana kokoa fa kely karama kokoa
Ny salan-taonan'ny vehivavy miditra amin'ny fanambadiana voalohany tamin'ny taona 2022 dia 26 taona, raha 29 taona ho an'ny lehilahy. Na izany aza, ny vehivavy 25 hatramin'ny 64 taona dia nahita fianarana ambony kokoa raha oharina amin'ny lehilahy mitovy taona amin'izy ireo. Ohatra, 25,1 isanjaton'ny vehivavy sy 19 isanjaton'ny lehilahy 24-65 taona no nandia fianarana ambony. Na izany aza, ny lehilahy dia mampidi-bola 15,5 isanjato eo ho eo mihoatra noho ny vehivavy. Araka ny angon-drakitra, tamin'ny taona 2022, ny salan-karaman'ny lehilahy dia 11.380 lei (644 dolara Amerikana), raha 9,618 lei (544 dolara Amerikana) izany ho an'ny vehivavy. Mandritra izany, araka ny filazan'ny Birao Nasionaly momba ny antontanisa, latsaka 7,9% ny vehivavy ny miasa raha oharina amin'ny lehilahy.
Tsy mitana toeran'ny mpitarika, na dia manana filoha vehivavy aza i Moldavia
Mitàna ny toeram-pitarihana ny 55,4 isanjaton'ny lehilahy, raha 44,6 isanjato kosa ny vehivavy. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2022, mitana ny 40,4 isanjato ny vehivavy manana toerana ao amin'ny Parlemantan'i Moldavia. Mandritra izany fotoana izany, vehivavy ny eo amin'ny 25 isanjaton'ny mpampihatra lalàna, saingy maherin'ny 50 isanjato kosa ny vehivavy mpitsara.
Na eo aza izany, mirehareha manana filoha vehivavy i Moldavia. Maia Sandu, teraka tamin'ny 24 Mey 1972, no filohan'i Moldavia nanomboka tamin'ny 24 Desambra 2020. Talohan'ny naha-filoha azy, nanangana sy nitarika ny Antoko ho an'ny Hetsika sy ny Firaisankina (PAS) izy, sady praiminisitr'i Moldavia nanomboka ny 8 Jona 2019 hatramin'ny 14 Novambra 2019. Tafajanona filoham-pirenena tamin'ny alalan'ny fandresena miezinezina tamin'ny fifidianana taona 2020 i Sandu, nanamarika azy ho filoha vehivavy voalohany tao Moldavia. Mpitondratenin'i Moldavia hiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana izy, mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanatraran'ny firenena ny satan'ny kandidà, ary mifanaraka amin'ny foto-kevitra mpomba ny Tandrefana. Nitsikera ampahibemaso ny hetsika ara-miaramila nataon'i Rosia tao Okraina i Sandu, niasa mafy mba hampihenana ny fiankinan-doha ara-toekarenan'i Moldavia amin'i Rosia sady manolotra fanohanana sy firaisankina tsy tapaka amin'i Okraina.