Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Aogositra, 2018
Ireto Dropkas ireto ve no ho farany hiompy “yaks” ao Sikkim ?
Misedra fanamby ny vahoaka iray ao atsinanan'ilay fanjakana indiàna ao Sikkim, fanamby izay sady rahona mitatao ho an'ny fisiany no loza manambana koa ho an'ny asa nentindrazana amin'ny fiompiana yaks nataony hatrizay.
Ejypta: Fitokonana hafa sy fihetsiketsehana marobe
Nanatevin-daharana ny vahoaka ireo dokotera sy ny sampan'ny oniversite Ejypsiana ary nanapa-kevitra hanohitra ny karama ambany raisin'izy ireo.
Tsy ampy ny mpitsabo zaza ao Romania, mitsangana ny saina menan'ny faharatsian'ny rafi-pitsaboana
Hopitaly maro an-tanandehibe ivelan'i Bucharest renivohitra no zara raha misy pediàtira (mpitsabo zaza) iray miasa. Rehefa miala sasatra ireny, dia tsy maintsy mikatona ny sampana satria sarotra dia sarotra ny hanoloana azy.
Ako avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana
Ny tena resahana be amin'ny lohahevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana tamin'ity herinandro lasa ity dia mazava ho azy fa ny fampisehoana nandiso fanantenana nataon'ny ekipa Toniziana tamin'ny Amboara Manerantany tao Alemàna rehefa nanao ady sahala tamin'i Arabia Saodita izy ireo.
India: Nampihitsoka ireo mpandeha tao Kerala ny fiara-dalamby nosakanana
Mampiseho ireo fiara fitaterana irate tao amin'ny gara Angamali ao amin'ny faritany atsimon'i India ao Kerala ny lahatsary manaraka nampidirin'ilay mpisera Youtube peshaku, sempotra izy ireo noho ny karazana fihetsiketsehana manokana izay nampiato ny asany ireo mpiasa. Atsoina hoe Harthal (Hartal) ny zava-nitranga ary nanjary olana hatrany tao Kerala.