Tantara mikasika ny Lalao Olaimpika

Esorina Any Amponjan'i Rosia Hamenoana Ny Seza Ao Amin'ny Sochi 2014

Akon  27 Desambra 2013

Rosiana bilaogera maro no mino fa mitàna toerana lehibe ao anatin'ny famotsoran-keloka nisy tamin'ny herinandro lasa ny Lalao Olaimpika fanao amin'ny Andro Ririnina Sochi hatao amin'ny taona hoavy ka nanafahana ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny "Arctic Sunrise" Greenpeace sy ireo mpiangaly gadona rock malaza Pussy Riot , ary hatramin'ny famelan-tsazy nomena an'i Mikhail Khodorkovsky

Bolivia: Tsy Laharam-pahamehan’ Ireo Atleta Amin'ny Lalao Olaimpika Tao Londona

  06 Septambra 2012

Atleta 5 monja no nentin'i Bolivia niatrika ny Lalao Olaimpika faha- XXX atany Londona. Nisy tantara ratsy mifandray amin'ny fandaniana ataon'ireo mpitarika Olaimpika nipoaka teny anaty tambajotra sosialy ary tonga hatrany amin'ireo mpampahalala vaovao. Miompana amin'ny toerana ambany dia ambany misy ny fanatanjahantena ao amin'ny firenena ihany koa ny fifanakalozan-dresaka, izay tsy mbola nahazo medaly Olaimpika mihitsy hatrizay.