Io lahatsoratra io dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpikan'ny Londona 2012.
Andro vitsivitsy mialohan'ny fihatombohan'ny XXX lalao Olaimpikan'ny Londona, tonga niaraka tamina mpikarakara maro sy mpanofana betsaka noho ireo Atleta ny delegationa Boliviana. Atleta 5 ihany no hifaninana ho an'i Bolivia.
Tsy kisendrasendra io isa io. Tsy nisy na dia Atleta iray aza no nahazo ny mari-boninahitra Olaimpika.
Ilay bolgera sady Atleta Olaimpikan'i Bolivia tany Beijing 2008, Iglezias Fadrique , dia manamarika ao amin'ny bloginy Clavo en el zapato (hoho anaty kiraro ) [es] hoe:
El Quijote, la obra máxima de Cervantes, satirizó a aquellas personas que al igual que el Ingenioso Hidalgo, persisten locamente en busca de sus sueños y luchando contra sus propios fantasmas con valentía. Así probablemente se identifiquen algunos de nuestros representantes olímpicos en América Latina, y más aún en Bolivia, donde ser deportista profesional es poco menos que una quimera y una irreverencia. El deportista, desde pequeño tiene que luchar contra un entorno familiar y educativo que prima horas de estudio o de trabajo, un entorno social que le tienta por la senda de los brebajes dipsómanos, un entorno profesional inestable y un reconocimiento social absolutamente limitado. Eso por no hablar de las restricciones de infraestructura y de las posibilidades de desarrollo de los entrenadores, quijotes también a su modo, que tienen que sobrevivir al paso de los años en.
El Quijote, sangan'asan'i ‘Cervantes, nanaraby ireo olona ireo izay mitovy amin'ny mpanankarena kinga saina amin'ny famoronana, misisika mafy amin'ny fanarahana ny nofiny sy ny fihadiana amin'ny fanahin'izy ireo ihany miaraka aminà herim'po. Mety izay ihany angamba no fomba hanehoana ny ankabetsahan'ireo atleta mpisolotena an'i Amerika Latina amin'ny lalao Olaimpika, ary mbola mitovy amin'izay ihany koa ny an'i Bolivia, izay mbola ambany noho ny nofinofy izany maha-atleta matianina izany. Ilay atleta, dieny mbola tanora dia tsy maintsy niady tamina fombam-pianakaviana sy fampianarana izay manome ho laharam-pahamehana ny ora hianarana na hiasana, tontolo iainana sosialy mapilendalenda anao amin'ny fisotroana alikaola, tontolon'asa tsy marin-toerana sy voafetra ny fanomezan-danja ara-tsosialy. Raha tsy hiresaka ny teritery amin'ny fotodafitrasa sy ny mety ho fivoaran'ireo mpanazatra. Quijotes amin'ny fomban'izy ireo manokana, izay mila an'io mba hivelomana mizotra amin'ny làlan'ny naha-irery hankany amin'ny kianjan'ny fanatanjahan-tena.
Marina izany. Any Bolivia, tsy dia misy fanentanana mba hanao fanatanjahan-tena. Ankoatra izany, ny kolotsaina ara-panantanjahantena sy mifaninanana dia tsy nivoatra ; ny ezaka mba ho lasa atleta matianina dia tsy omena lanjany na tsy ankasitrahana ara-tsocialy sy ara-toekarena.
Ny media, ny manampahefana sy ny vahoaka dia tsy mangataka medaly, na mety tsy manana antony hangatahana izany ry zareo.
Na izany aza, andro vitsivitsy nialoha ilay fifaninanana Olaimpika, nidedaka tanaty tambajotra sosialy ny tantara ratsy izay tonga dia nanondro mivantana ny Komity Olaimpika Bolivianina (COB), ary indrindra ny filohany Edgar Claure .
Ny vavahady niomerika, Oxígeno Bolivia, dia manazava [es]:
Edgar Claure gozará de $us 250 diarios en viáticos, además de que estará alojado en un hotel de cinco estrellas, con vehículo propio y traductor; en su condición de presidente del Comité Olímpico Boliviano. En cambio, los cinco bolivianos que participarán de Londres 2012 defendiendo la tricolor, sólo recibirán $us 15 diarios y estarán alojados en la Villa Olímpica.
Bitika ny delegationa, mahantra ny firenena ary misy fiatraikany any amin'ny fijerin'ny vahoaka ireo isa. Na eo aza izany, misy vaovao manan-danja izay tena mampiahiahy : tsy nampiasaina tao anatin'ny fanatanjahantena ireo vola voaray.
Ilay mpanao gazety Miroslava Fernández (@kiske_one) [es] dia mamintina ao amin'ny kaontiny Twitter :
@kiske_one: Se destapa escándalo. Bolivia recibe cada año 800.000 dólares. Jugosos viáticos para los 11 dirigentes y escaso apoyo a 5 atletas #JJOO
Mialoha ilay fahafaham-baraka, ny governemanta Bolivianina dia nitady ny fomba hirotsahana an-tsehatra [es] miaraka amin'ny kaomity Olaimpika Bolivianina. Na dia ireo feo mora tohina aza dia mangataka ny hitoeran'ny fifantohan-tsaina amin'ireo fanatanjahantena. Amin'io fomba io, Fadrique Iglesias, mamarana amin'ny lahatsoratra [es] hoe:
Está más que comprobado que los atletas aparecen como resultado de iniciativas locales y de efectos encadenados. Hay que exigir medallas y resultados internacionales, pero primero hay que comenzar por lograr una cultura deportiva, llenar los parques de niños, educar a los espectadores e incluso patrocinar a gestores profesionales para que se dediquen a ello desde la iniciativa privada. Al fin y al cabo, si se quieren resultados, la cosa es poniendo.
Io lahatsoratra io dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpikan'ny Londona 2012.