Tantara mikasika ny Lalao Olaimpika tamin'ny Aogositra, 2012
Ireo Atleta Vehivavy Saodiana – Natao Resa-be Tao Amin'ny Twitter, Taorian'ny Lalao Olympika
Taorian'ny dingana niakarana tany amin'ny lalao Olympika, ireo vehivavy atleta Saodiana, sady voalohany teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahan-tena Saodiana, i Sarah Attar sy Wojdan Shahrkhani dia nahazo vava ratsy tao amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana.
Timor Atsinanana: Nambabo Ny Fon'i Londra Ilay Mpihazakazaka (Marathon)
Nambabo ny fon’ireo mpijery marathon tamin’ny lalao Olaimpika ilay tanora mpanao hazakazaka marathon, Augusto Soares, 25 taona, noho ny faharetany sy ny endrika sariaka teny aminy
Tsy Maintsy ‘Nanafatra’ Mpilalao Ve Singapore Mba Hahazo Medaly Olaimpka ?
An'i Feng Tianwei ny medaly alimo, mpilalao teratany Shinoa izay nisolo tena an'i Singapore tamin'ny lalao Olaimpika 2012 tany Londona, nampiakatra ny adihevitra io fa tokony ho niezaka hampivelatra ny talenta tao an-toerana ny governemanta toy izay 'nampiditra' olona ivelan'ny firenena.
Nahatratra Vokatra Manatantara i Kolombia Tamin'ny Olaimpika Londra 2012
Vaovao farany (9 Aogositra 2012): Fotoana fohy taorian’ ny namoahana ity lahatsoratra ity, nandrombaka ny medaily faha enina ho an’i Kolombia i Jackeline Rentería tamin’ny lalao Olaimpika ao Londra 2012. Medaily alimo no...
Brezila: Resaka Fanamboniana Kokoa Ny Lehilahy Mandritra ny Olaimpika
Momba ny Olaimpika ao Brezila, niteraka adihevitra teo amin’ny fampahalalam-baovao an’olo-tsotra ny fitantarana nataon’ny fampahalalam-baovao mahazatra mikasika ny ireo atleta vehivavy, miteraka fanoherana ny fomba fandefasana sy fitantarana mivantana ny...
Mahazo Ny Medaly Volamenany Voalohany I Arzantina Amin'ny Lalao Olaimpika 2012 Ao Londona
Mankalaza ny medaly volamena voalohany indrindra ho an'ny firenena tamin'ny Lalao Olaimpika 2012 tao Londona ireo teratany Arzantina mpampiasa Twitter taorian'ny nandresen'i Sebastian Crismanich an'ilay Espaniola Nicolás Garcia Hamme tamin'ny Taekwondo.
Indonezia: Mpilalao Diso Fotoana Tamin'ny Fanombohany Ny Lalao Olaimpka
Ilay Indoneziana vao handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona dia nanjary adihevitra be satria diso fotoana ilay mpilalao tamin'ny fifaninanana tifitra. Notantarain'ilay mpilalao tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter io . Naneho ny hasorenany sy ny hazendanany tamin'io tranga io ireo mpiserasera anaty aterineto.
Manomboka Mametraka Ny Toerany Amin'ilay Lalao Olaimpika Ao Londona i Amerika Afovoany
Herinandro taorian'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika tao Londona, i Amerika Afovoany dia saika nahazo medaly iray kanefa nisy niavaka ihany. Vavolombelon'izany ireo tambajotra sosialy ary milazalaza amintsika ny mombamomba ny zava-bitan'ireo avy any Goatemalà, Honduras, ary Nikaragoa.
Porto Riko: Nahazo Medaly Alimo i Javier Culson
Nametraka tantara ilay atleta amin’ny Olaimpika Javier Culson (@JavierCulson) tamin’ny nandrombahany ny medaily sabamena (alimo) tamin’ny taranja hazakazaka 400 metatra misy fefy tamin’ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londres. Ity no...
Iran: Mankalaza Ny Medaly “Manan-tantara” Sady Manakiana Ny Mpitsara
Mankalaza ny andro iray toa zato ho azy ireo teo amin'ny tantaran'ny Lalao Olaimpika ry zareo Iraniana satria nahazo medaly volamena roa ny atleta Iraniana ary medaly volafotsy roa tamin'ny Talata