Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Jona, 2014
I Jen Psaki, Fahavalo Voalohan'ireo Rosiana Mpampiasa Aterineto
Lasa fomba fiteny ho fampiasàna ny zavatra rehetra ny hoe “Psaki”, ho an'ireo Rosiana rehetra tsy tia ny politika ivelany ampiasain'i Etazonia (indrindra fa ny fidirana antsehatry ny Amerikana any Okraina)
Raha Nandeha Nandevina Ny Renibeny Tany Bosnia Izy, Dia Tondraky Ny Rano Ny Tranony Tany Serbia
Ato anatin'ity horonantsary mitantara ny fiantombohan'ny tondradrano tao Balkans nandritry ny andro vitsivitsy ity dia asehon'i Rastko Šejić an-tsary mazava tsara ny zava-nitranga rehetra mikasika ny voina sy ny halehiben'ny herin-dRaolombelona.
Eo Amin'ny Làlan'ny Vola Ireo Mpijirika Informatika
Nisy ny Sabotsy 7 Jona ny hetsika " Làlan'ny Vola", andron'ny fijirihana informatika isam-paritra, nokarakarain'ny Hacks/Hackers, mba hanarahana ny topan'ireo volam-bahoaka manerana an'i Amerika Latina.
Miantso Anao Hamàrana Ny Fitsaratsaram-poana Miendrika Fanavahana Any Anaty Media ity Manampahaizana Santomeana ity
I Grada Kilomba, manam-pahaizana manokana ny amin'ny fandalinana ny resaka fiaviana ao amin'ny Oniversiten'i Humboldt , any Berlin, miresaka ny hoe ahoana ny tokony hataon'ireo haino aman-jery izay manampy amin'ny fanamafisana ny hevitra raiki-tampisaka momba ny fiaviana, mba hanamboarany indray doko amin'ny lafiny tsara.
Trinite & Tobago: I Kolkata Ve No Nosafidian'i Narine Fa Tsy i Antilles Andrefana?
Tsy nifantina an'i Sunil Narine izay mpanipy baolina mahay ny kaomity mpitantana ny lalao Cricket any Antilles Andrefana amin'ny lalao andrana rehetra mbola ho avy ka hifaninànana amin'i Nouvelle Zélande satria mieritreritra izy ireo fa efa nisafidy hiditra amin'ny ekipan'ny firenena hafa izy.
Asehoy Ahy Ny Vola : Tsy Mbola Voaloa Ny Onitra Noho Ny Trangam-panavakavahana Karaibiana
Valo volana aty aorian'ny namoahan'ny Fitsaràna Karaibiana didy tamin'ny fandreseny, mbola tsy naharay ny onitra tokony homena azy ihany i Shanique Myrie, izay nampiboridanina nozahàna ary tsy navela niditra tao Barbade.