Ny vohikalam-baovaoa DNA Algérie no mitatitra [fr] ny hatezeran'ireo Alzeriana nateraky ny fihetsika mamofady nataon'i Gérard Longuet, ministry ny fiarovana Frantsay taloha, izay nanompa ho valin'ny fanontaniana momba izay mety ho fiaiken-keloka hataon'ny Frantsa mikasika ireo heloka an'ady nandritra ny adin'i Alzeria hiala tamin'ny fanjanahantany.
Nihevitra hono ingahy Longuet fa efa tapitra ny fampitàna fahitalavitra raha nanao izany fihetsika izany ny tenany.