Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Aogositra, 2014
Taorian'ny Fampitsaharana Ny Fanafihana Tao Gaza, Mampiseho Ny Isan'ireo Aina Nafoy Sy Ny Fahasimbana Nandritra Ny 30 Andro Ny Fanazavana An-tSary
Nanomboka androany ( 5 aogositra) ny fampitsaharana ady 72 ora taorian'ny 30 andro nisian'ny daroka baomba Israeliana sy ny fanafihana an-tanety tao amin'ny faritry Palestiniana, izay notsenain'ny balafomangan'i Hamas, ka nahafaty Palestiniana 1 868 sy Israeliana 67 farafahakeliny
Mampiasa Media Sosialy Ny Indiana Mba Hiadiana Amin'ny Fanavakavaham-piaviana Mihatra Amin'ireo Tavaratra-atsinanana
Maro tamin'ireo mponina avy ao amin'ny firenena avaratra-atsinana, faritra antsoina hoe «Seven Sisters (Mito Mirahavavy)», no miatrika fanavakavahana ara-poko ao amin'ny fanjakana ambiny noho ny endrik'izy ireo Aziatika Atsinanana sy ny kolontsaina samihafa
Tsy Mila Ny Uber (tolotra-taxi) Intsony i Seoul, Saingy Mbola Aza Apetraka Ny Findainao
Noraràn'i Seoul ny Uber ary mikasa hamoaka ny fampiharana finday azy manokana hoan'ny tolotra-taxi i Seoul. Iza no mahazo tombony amin'izao fanovana izao?
Mitady Mpitantana Mavitrika Hisahana Ny Fitantaram-baovao Ao Brezila Ny Global Voices
Mitady mpitarika vaovao mahay teny anglisy sy Portiogey hitantana ny fitantaram-baovaonay antserasera ao Brezila ny Global Voices
Fiaingana Ara-Teknolojika Vaovao Hoan'ny Firenena Umoⁿhoⁿ
Amin'ity tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ity, miandrandra fatratra ny media sosialy amin'ny famelomana ny teny Umoⁿhoⁿ i Valita Stabler.
Manao Fikarohana Ny Fiheveran'ny Ogandey Ny Atao Hoe Demaokrasia Ny Mpanao Tantara Mitohy Amin'ny Radio
Ny Common Community dia fisantaran'andraikitra fizaram-baovao eo amin'ny fiarahamonina, natokana hanentanana ny faritra Lango ao Ouganda mikasika ny olan'ny fifidianana .Hiresaka momba ny fitantanana, fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena sy ny fampandrosoana ny ara-tsosialy ny fandaharana tantara mitohy isa-kerinandro amin'ny radio, izay vokarin'ny Theatre Technology House (TTH).