Tantara mikasika ny Koety tamin'ny Marsa, 2011
Koety: Lasa alina ny andro noho ny tafiotram-pasika
Nisy tafio-drivotra arahina fasika lehibe nandrakotra an'i Koety nandritra ny minitra maro tamin'ity atoandro ity. Niaraka tamin'ny Kamera, nanome topi-maso ny zava-niainany ireo mpampiasa aterineto Koety satria dia nivadika ho alina ny andro. Ireto misy toraka tao amin'ny YouTube, Twitter ary Facebook.
Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy
Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.
Koety: Olona an-jatony mitaky fanovàna praiminisitra
An-jatony vitsivitsy ireo vahoaka nivory tao Koety androany mitaky ny “governemanta vaovao”, sy praiminisitra vaovao, ary fomba fiasa vaovao.” Na dia misy aza ireo miteny fa i Koety dia miezaka...