Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Koety tamin'ny Avrily, 2019

Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina

Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany.

Afovoany Atsinanana: Malahelo noho ny fanafihana tany Mumbai

Ao anatin'ny alahelo sy ny fahatairana tamin'ny fanafihana an'i Mumbai, mametraka fanontaniana marobe ny bilaogera manerana ny tontolon'ny Arabo.

Koety: Nampijaliana noho ny siokan'olon-kafa

Nahamarika izy ireo raha nandeha ny fampijaliana fa namoaka sioka tamin'io fotoana io ny kaonty Twitter izay niampangan'izy ireo azy raha mbola tany am-pigadrana izy ary nanapa-kevitra ny hampiato ny fampijaliana noho izany ny polisy ary niampanga azy ho nanao fihetsiketsehana tsy ara-dalàna tahaka ireo mpanao fihetsiketsehana hafa.

Mpisera Twitter Koesiana nogadraina noho ny faniratsirana ny Emir

Mampigadra ny maniratsira ny Emir ao amin'ny Twitter: voasazy higadra roa taona an-tranomaizina i Hamid Al Khalidi noho ny faniratsirana ny Emir tao Koety tao amin'ny Twitter. Nikasa ny hampiakatra ny raharahany any amin'ny fitsarana ambony ny mpisolovavany.

Tsy navela hiditra an'i Koety i Ahmad Mansoor , bilaogera Emirà Arabo Mitambatra  

Nitatitra ny zava-nitranga taminy tao amin'ny seranam-piaramanidina i Mansoor tamin'ny alàlan'ny twitter, koa satria nanao fifidianana parlemantera i Koety dia izany no iray amin'ireo antony tsy naharototra loatra ny tranga nahazo ity bilaogera Emiraty Arabo Mitambatra ity.