Nisy tafio-drivotra narahina fasika lehibe nandrakotra an'i Koety nandritra ny minitra maro tamin'ity atoandro ity. Niaraka tamin'ny Kamera, nanome topi-maso ny zava-niainany ireo mpampiasa aterineto Koesiana satria dia nivadika ho alina ny andro.
Alkulaib dia mizara ity lahatsary ‘tsy mampino’ ity amintsika:
Ity misy lahatsary iray hafa izay an'i iGhaZy, mampiseho ny fiatraikan'ilay tafio-drivotra tany Jahra:
http://www.youtube.com/watch?v=PYPf69K89Pc
I adua110 dia mizara ity lahatsary ity, mampiseho ny faritry ny lanitra rehefa antomotra ny tafio-drivotra narahina fasika:
Ao amin'ny Facebook, nizara ity lahatsary mampiseho ireo mpitondra fiara mifamoivoy raha midina eny amin'izy ireo ny tafio-drivotra.
Raha te-hahita lahatsarin'ity vovoka ity ianao, jereo ity tahiry ity, nozarain'i Faisal Al Fadhel ao amin'ny Twitter.
Misy fifantinana lehibe ireo lahatsary navoaka mikasika ny tafio-drivotra arahina fasika tany Kuwait hitanao ato.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...