Tantara mikasika ny Bolivia
Iza i Eva Copa, ilay zara raha fantatra nefa nanampy nanokatra ny làlan'i Bolivia ho any amin'ny fifidianana vaovao?
Tsy betsaka no mahafantatra an'i Eva Copa, saingy izy no filoha vaovaon'ny antenimieran-doholona boliviàna. Izy no endrika iray fototra nitondra ny firenena hiroso taorian'ireo hetsipanoherana.
Bolivia anaty krizy sady misaratsaraka: loharano ety anaty aterineto natao hahatakarana tsara ilay fifandirana
Aiza no hanombohana azy raha te-hahatakatra ny krizy boliviàna? Soritra vitsivitsy azo zohiana ety anaty aterineto.
Azon'ny Kamerà: Lahatsary momba ny Zon'olombelona ato amin'ny GV
Herinandro vitsivitsy miavaka ho an'ny lahatsary GV momba ny zon'olombelona iny, koa ndeha isika hiditra avy hatrany amin'izany...
Blaogy Boliviana – fanendrikendrehana an'i Etazonia sy ny fifandraisana amin'i Shily
Tsy any Bolivia ihany no ahitana fanapoahana baomba ataon'ny mpampihorohoro. Izany no nahatonga ireo karazana tombatombana nipoitra raha nisy fipoahana baomba roa tao amin'ny trano fandraisam-bahiny tany an-drenivohitra La Paz. Boliviana roa no maty tamin'izany voina izany ary olona roa ihany koa no voatazona ankehitriny.
Mitaky Visa amin'ireo olom-pirenena amerikana i Bolivia
Tao anatina fanapahan-kevitra tsy nampoizina, nanambara ny governemanta Boliviana fa tsy hamela malalaka ny olom-pirenena Amerikana hiditra malalaka ao amin'ny firenena izy ireo raha tsy misy visa azo avy amin'ny kaonsilà.
Ny tsiahin'ny karnavaly lavitry ny firenena – votoaty tao amin'ny bilaogy Boliviana
Soa ihany fa misy ny fepetra fandosirana. Alohan'ny hamarananao, dia tokony hanana vitsivitsy eo an-tany ianao ho an'ny La Pachamama, reny tany.
Amerika: Jery todika 2008
Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.
Bilaogy Boliviana: Aleo tsy hotantanin'ny tsy miankina ny rano, sy lohahevitra hafa koa
Nandritra ny Fihaonambe Manerantany momba ny Rano, nanambara i Bolivia fa tokony hiantohana ho toy ny zon'olombelona fototra ny rano. Miaraka amin'ireo firenena Amerikana Latina, nandresy lahatra ihany koa ny minisitry ny rano Boliviana vaovao mba tsy hampidirina ao anatin'ny fifanarahana ara-barotra malalaka ny fitantanan'ny tsy miankina ny rano.
Amerika Iberika: Fihaonan-toby oniversitera ao El Salvador
Tamin'ity herinandro ity tany Salvadaoro, mpankafy teknolojia an-jatony no nivory tao an-drenivohitr'i San Salvador mba handray anjara amin'ny fizarana farany amin'ny Campus Party.
DoGooder.tv: Vohikala Fizaràna Lahatsary ho an'ireo Tsy Mikatsaka Tombontsoa Manokana
Vohikala iray natao ho an'ireo lahatsary miaro fotokevitra ny DoGooder.tv. Amin'ny alalan'io, afaka mampiroborobo ny fotokeviny aminà mpijery voafaritra ireo fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa manokana: mpijery efa liana amin'izay tiany ambara, sy mitady fomba hahafahany manampy.