Tantara mikasika ny Makedonia tamin'ny Oktobra, 2011
Masedonia: Bitsika An-tapitrisany – Tononkalo Dika Sangisangy “Existentialist”
Ilay mpitoraka blaogy iskra_iskric dia tsy nihambahamba nanova hira rock faheno iray an'ny tarika Arhangel hifanaraka amin'ny zava-misy amin'ny virtoaly, ka namorona tononkalo [mk] vaovao tamin'ny bitsika.
Sakafo Manerana Ny Tany Ao Amin'ny Blog Action Day 2011
Isan-taona nanomboka tamin'ny 2007 dia mampiray ireo bilaogera manerana ny tany ny Blog Action Day amin'ny firesahana mikasika olana iray manokana eto amin'izao tontolo izao. Anaty fifanotronana dia mahazo mpanaraka an-tapitrisany ireo bilaogera mpandray anjara ireo. Ary tamin'ity taona ity, ny 16 Oktobra 2011 izy ireo dia niresaka momba ny sakafo.