Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2016

Tantara mikasika ny Makedonia tamin'ny Febroary, 2016

29 Febroary 2016

Makedoniàna Manao Hetsi-panoherana Hiarovana Ny Lalàm-panorenana Amin'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana

"Raha ny fahitàna azy, dia toa ara-dalàna tanteraka ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana, ary na inona na inona heloka vitanao, rehefa mbola ny fitsaràna no manaiky azy"

Fitsarana Makedoniana Mandà Ny Fandravàna Didy Nangatahan'ny Mpikatroka Ira Voaheloka Noho Ny Fanalàna Baràka Mpanolotra Amin'ny TV Mpomba Ny Fitondràna

Taona dimy taorian'ny nanombohan'ilay raharaha, farany dia nolavin'ny fitsaràna Makedoniana ihany ny fandravàna didy nangatahan'ny mpikatroka iray voaheloka ho nanàla baràka ny mpanolotra fandarahana amin'ny fahitalavitra mpomba ny fitondràna

Tanoran'ny ONG Ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana Miady Amin'ny Kolikoly Amin'ny Alalan'ny Andiam-Baovao Fanadihadiana

Tany amin'i Yogoslavia sy ny Firaisana Sovietika teo aloha, "Hatrany amin'ny garabola ka hatrany amin'ny oniversite, taranaka mpianatra sy tanora no nitombo amin'ny fahalalana ny kolikoly avy amin'ny zavatra niainany manokana."

25 Febroary 2016

Rehefa Vazivazy Ny Fifidianana, Dia Mivazivazy Momba Ny Fifidianana Ny Olona

Olana iray miely patrana any Balkàna ny hosoka sy tsy fanarahan-dalàna main'ny fifidianana. Araka ilay fomba fiteny hoe, 'Raha tsy nihomehy aho, dia nitomany.'

24 Febroary 2016

Fanakatonana Tampoka Ny Sisintany Nampihitsoka Afghana Mpitsoa-Ponenana An'Arivony Ao Gresy

Ao Idomeni, tanàna kely iray manasaraka an'i Gresy sy i Makedonia, dia pasipaoro iray ihany no hany fanantenana ahafana miampita.

Ny Tantara Am-Bavan'ny Lalàna Yogoslavy Miady Amin'ny Voaly Nanodidina Ny Taona 1950

Nolaniana ny lalàna "..hanatrarana ny tanjona fanesorana ny endrika fankatoavam-pangejana mariky ny taonjato talohabe sy ny fahatrarana aoriana mahazo ny vehivavy miozolomana"

22 Febroary 2016

Mitarika Ny Olona Hidina An-Dalambe Ny Fahalotoan'ny Rivotra Any Makedonia, Ary Misy Fampiharana iray Ho An'Izany

Nanampy hitarika fihetsiketsehana faobe ny fampiharana angon-drakitra misokatra "Ny Rivotro", ka nahatonga ny olom-pirenena Makedoniana hahafantatra ny vokatry ny fanarahamaso ny fahalotoan'ny rivotra. Dia tonga ny fanafihana DDoS sy ny faneren'ny governemanta.

12 Febroary 2016

Fikambanana Tia Fanoritsoritana Sary Manavatsava An'i Eoropa Atsinanana Sy Afovoany Ao Amin'ny Twitter Manaitra Faniriana Te-Hamoron-Javatra

Ampolony ireo artista sy mpitia fotsiny izao no mandray anjara amin'ny fisantaran-tetikasam-pandokoana ao amin'ny Twitter mamoaka ny asany isan-kerinandro mba hitondra ala hamohamo bebe kokoa sy zavakanto ato amin'ny aterineto.