Masedonia: Bitsika An-tapitrisany – Tononkalo Dika Sangisangy “Existentialist”

Ilay mpitoraka blaogy iskra_iskric dia tsy nihambahamba nanova hira rock faheno iray an'ny tarika Arhangel hifanaraka amin'ny zava-misy amin'ny virtoaly, ka namorona tononkalo [mk] vaovao tamin'ny bitsika.

Bitsika an-tapitrisany (dikateny tsy ofisialy nataon'i F.S.)

Mino ahy ve ianao?
Satria izaho ilay nofy manome
ireo bitsika rehetra misy.
Ary mandritra ny fotoana maro, tsy izaho io.
Fa olona manaraka anao
ary tia mandefa bitsika.

Fiverenana:
Isaky ny mitady hanaraka ahy ianao
dia miverina aminao tahaka ny bitsika tamberina izany,
tahaka ny naoty tsara.
Izaho dia olona mivelona amin'ny tweets,
ary tsy matahotra ny handrangitra anao.
Tsy fantatro raha
mbola misy Facebook tavela ato amiko,
na nanjavona niaraka tamin'ny tenifototra daholo ny zava-drehetra.

Feno hafaliana, tsy mety reraka, mibitsika tsy an-kiato aho,
ho an'ireo mpanaraka ahy an-tapitrisany.
Ny hany antony ho ahy
hanohizako ny miaina,
ary tsy misy fomba azo hanovàna ahy,
ny hany azonao atao dia ny mamerina ny bitsika avy amiko.

Aza eritreretina ny fiovàko mahagaga
ary any ivelany aho mahita izay tadiaviko.
Jereo! Hahita olombelona tsotra ianao
mangetaheta tweetup sy revolisiona.

Fiverenana:
Isaky ny mitady hanaraka ahy ianao….

Io dika sangisangy io dia somary niainga tamin'ny endrika maizimaizin'ny tononkira tena izy [mk] nosoratan'i Risto Vrtev, nivoaka tamin'ny taona 1993 ho hira iray tao anatin'ny raki-kira “Arhangel 2.”

 

Dollars an-tapitrisany (dikateny tsy ofisialy nataon'i F.S.)

Mino ahy ve ianao?
Satria izaho ilay nofy manome
ireo zava-drehetra misy.
Mandritra ny fotoana lava dia tsy izaho aho
Fa olona misolo tena ahy
sy mankafy ny fahasorenana.

Aza mieritreritra ny hoe hatraiza ny nitiavanao
sy ny hoe izany fitiavana izany no hany ilainao.
Jereo! Hahita olombelona tsotra ianao
tsy mahalala akory ny hevitry ny revolisiona.

Isaky ny te-hitia ahy ianao
dia hiverina aminao tahaka ny sazy izany,
tahaka ny fitaka mangidy.
Izaho dia olona miaina amin-tahotra,
matahotra ny mikitika anao.
Tsy fantatro raha mbola misy
fitiavana tavela ato amiko,
na nanjavona daholo ny zava-drehetra rehefa nandeha ny fotoana.

Tokana sy reraka mitady an-kakiviana
ireo dolarako an-tapitrisany aho,
Ny hany antony ho ahy
hanohizako ny miaina,
Ary tsy misy fomba azo hanovàna ahy,
ny hany azonao atao dia ny mamono ahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.