Tantara mikasika ny Makedonia tamin'ny Mey, 2018
Manondrana Ny Korontana Sy Fampielezankevitra Ho Any Amin'ny Balkan Ny Governemanta Hongroà
Nasehon'ny fanadihadiana iray nataon'ny fampahalalambaovao makedoniana ny fifandraisana ara-bola sy ara-pananana eo amin'ireo media avy amin'ny farany havanana ao Makedonia sy ireo mpiray antoka amin'ny antooko eo amin'ny fahefana ao Hongria
Makedonia: Fikomiana antserasera manohitra ny drafitra “Skopje 2014″
Taorian'ny taona maro nanaovana filazana miafina, ny fanodinkodinan-tsaina ataon'ny media ary fialana bala ataon'ny fanjakam-birao midify ny fitakiana mangarahara, tamberina andraikitra ary ny fandraisan'ny olom-pirenena andraikitra, nametraka drafitra ihany ny governemanta eo an-toerana [fiadidian'ny kaominina] ao amin'ny Kaominina Centar [MK] nony farany.
Ireo Fonja Miafina Amerikana: Miainga Avy Amin'ny Efitranonà Hotely Mankamin'ny Efitrano Fanagadrana Maharikoriko
Avoitran'ity lahatsoratra iray ity amintsika fa tsy ao ambadik'ireo fefy vy irery ihany akory no misy ireo fanosihosena ny zon'olombelona afenina, mangingina ary miafina.
Makedonia: Ezaka eny ifotony hiarovana ny mozika Folk antserasera
Zava-miavaka eo amin'ny kolontsaina Makedoniana ny fankasitrahana ny vakoka mozika, ary noho ny ezaka be nataonà bilaogera iray, niely tamin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa izany.
Bilaogera amin'ity herinandro ity: Elena Ignatova
Na dia tsy bilaogera aza ara-teknika ny Bilaogeran'ny herinandro anio, malaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Makedoniana amin'ny asany ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Makedoniana izy, satria mpandika teny sy tonian-dahatsoratra ao izy. Ankoatra izay, tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices Albaney ihany koa izy, ary mpankafy mamaky bilaogy.
Makedonia: Fampiasana media vaovao amin'ny fampielezan-kevi-pifidianana
Namakafaka ny "sambany" fampiasan'ireo antoko politika lehibe ny aterineto sy ny media vaovao amin'ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana parlemanta alohan'ny fotoana, hotontosaina amin'ny 1 Jiona 2008 ireo mpanoratra ao amin'ny bilaogy media Makedoniana, Komunikacii.net.