Tantara mikasika ny Makedonia tamin'ny Janoary, 2016
Baba Marta, Fomban'i Balkan Ifanakalozana Aody Nataon-Tanana
Nanambatra ny heriny ny firenena ao Balkan hiarovana ny fomba sy hirosoana amin'ny fampidirana azy ho ao amin'ny lisitry ny lovan-kolontsaina tsy azo tsapain-tanan'ny UNESCO.
Ela Ny Ela, Nahanton'ny Facebook Ilay Pejy ‘Pegida Macedonia’ Mpankahàla Miozolmàna

Na teo aza ireo tatitra marobe, imbetsaka nilaza ny Facebook hoe tsy nanitsakitsaka ny Fenitry ny Vondrom-piarahamoniny ilay pejy.
Nasehon'ny Karatra Paositaly Fahiny Ny Tsiaron'ny Ady Lehibe Voalohany Tao Makedonia
Natao tanelanelan'ny taona 1914 ka hatramin'ny 1918, tsy ny fampisehoana ny endrika ara-miaramila ny ady ihany no hita amin'ny sary, fa asehony ihany koa ny toerana sy ny olona tafiditra ao anatin'ny ranomodiny.
Miverina Indray Ny Tetiandro Miboridandridan'ireo Makedoniana Ao Amin'ny Twitter
Taorian'ny fiatoana tamin'ny 2015, naverin'ireo Makedoniana mpampiasa Twitter indray ny fomba nahazatra azy amin'ny fanaovana tetiandro misy fitanjahana ho entina manao asa soa.
Nohamafisin'ny Fitsaràna Ambony Ao Makedonia Ny Lamandy Ho An'ireo Mpanao Gazety Nitanisa ireo Fanambaràna Fisian'ny Kolikoly
Namerina ny voalazan'ny masoivoho teo aloha an'i Makedonia tany amin'ny Repoblika Tchèque ny gazetiboky Fokus, izay niampanga ny filohan'ny sampam-pitsikilovana teo aloha, Sasho Mijalkov, ho nanao kolikoly. Nitory noho ny fanalàm-baràka i Mijalkov ary nandresy.
Mpikatroka Miezaka Mamafa Ny Fanilikilihana Ateraky Politikan'ny Governemanta Amin'ny Resaka Fanalan-jaza
"Satria mikasika ahy izany, ny fanapaha-kevitra hanala zaza na tsia dia tokony ho zoko samirery."