Tantara mikasika ny Makedonia tamin'ny Febroary, 2018
Macedonia: Sakura – Cherry Blossom Celebration in Skopje …………Makedonia: Sakura – Firavoravoana Fa Vaky Felana Ny Serizy
Na dia vitsy aza ireo Japoney miaina ao amin'ny Repoblikan'i Makedonia, maro ireo mponina ao an-toerana no nandray anjara tamin'ny fety faharoa fankalazana ny Sakura isan-taona - fety natokana ho an'ireo voninkazon'ny serizy ao Skopje, renivohitr'i Makedonia. Nampidirin'ireo mpikarakara ny fety ireo dojos fanaovana fanatanjahantena haiady, ary vao haingana ireo blaogera sasantsasany malaza no nanomboka ny blaogy ifandrimbonana, Japan@mk [MKD], sy nanomboka nanely ny resaka manerana ny tontolon'ny blaogy makedoniana.
Niezaka Nanafina Ny fanaony Mihaino Resaka An-tariby Ny Fitondrana Makedoniana Teo Aloha
Tamin'ny 19 desambra 2017 tao an-drenivohitr'i Skopje, nanambara fanadihadiana vaovao mifandraika amin'ny tantara momba ny fihainoana resaka an-tariby tamin'ny taona 2015 izay nanongotra ny governemanta mpandrendri-bahoaka nitondra an'i Makedonia nanomboka ny taona 2006 ka hatramin'ny 2017 ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Manokana (SPO) .