· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Makedonia tamin'ny Jolay, 2013

Nodimandry I Roberto Beličanec, Masedoniana Iray Manampahaizana Manokana Amin'ny Serasera, Mafana Fo Sady Bilaogera

  21 Jolay 2013

Namoy ny ainy tamin'ny fijanonan'ny fony tampoka [mk] ny 29 Jona 2013 teo amin'ny faha 41 taonany i Roberto Beličanec, Masedoniana manampahaizana manokana amin'ny serasera, mafana fo sady bilaogera. Beličanec dia iray tamin'ireo olona vitsy niteny imasom-bahoaka momba ny fahalalahana sy ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny, sahy nilaza ny marina tamin'ny Mpitondra [mk]. Nanana mpanara-dia maro izy tao amin'ny filazam-baovao sosialy noho ny fahasahiany hanohitra ny fanararaotam-pahefan'ny mpitondra, ny kolikoly, ny sivana ary ny lahateny manevateva