Fibabohan'ireo Taxicab, Hevitra Kyrgyz: Mandray Familiana Ireo Mpanao Lalàna Mba Hiresahana Amin'ireo Mpifidy

Picture from the Facebook page of Ibraim Nurakun Uulu, the Kyrgyz parliament spokesperson

Sary avy amin'ny pejy Facebook n'i Ibraim Nurakun uulu, mpitondra-tenin'ny parlemanta Kyrgyz

Rehefa mikopaka fiarakaretsaka iray ianao eny andalambe, azo inoana fa tsy hanampo velively hifanena amina mpamily mpikambana ao amin'ny parlemanta. Saingy, miaina ao anaty fihetsika tsy fahita firy ataon'ireo mpiasam-panjakana ao Azia afovoany ireo mponina ao Bishkek, renivohitr'i Kyrgyz, mba hisaraihana azy ireo mifidy azy ireo handray ny fahefana.

Isan-kerinandro, mpikambana iray ao amin'ny parlemantan'i Kyrgyz, izay antsoina hoe Jogorku Kenesh amin'ny tenim-pireneny, no nandray ny familian'ny fiarakaretsaka iray ho an'ny fandaharam-potoana amin'ny TV “Fiarakaretsaky ny Parlemanta”. Ilay fampisehoana, izay nalefan'ny sampana seraseran'ny parlemanta, dia alefa amin'ireo fantsona roa an'ny TV ao an-toerana mandritra ny takariva maha-betsaka mpijery. Lasa mpitondra fiarakaretsaka mampiasa ny Toyota Camry avy amin'ny tobim-piaran'ny parlemanta ry zareo parlemantera. Tsy voazava raha nanefa sarandàlana ho an'ilay diany manokana izay mpandeha tsara vintana na tsia.

Mbola nisalotra ny akanjony sady nitondra vehivavy lehibe roa, ny mpamily voalohany, mpikambana ao amin'ny parlemanteran'ny Antoko Sosialy-Demokratika eo amin'ny fitondrana.

Ny hevitra, mitovy amin'ny hevitra hafa rehetra ihany, sady nahita mpiandany no nahita mpanohitra.  Nandàla an'io i Larisa Kuznetsova:

Отличная идея! И конкретная помощь населению и главное общение с депутатом!

Hevitra tsara! Lalana mazava mba hanampiana ny vahoaka, no sady vinta iray hahafahana miresaka amin'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta!

Nampitamberina ny tantara i Asel Yssyk-Kul Lake:

Это как в старину, цари переодевались в нищих и ходили среди народа и узнавали как они живут.

Tahaka ny fahiny, raha nitafy toy ny mpangataka ireo mpanjaka sady nandeha nifangaro tamin'ny vahoaka mba hijery hoe ahoana ny fiainan'ireo vahoakany.

‘Tokony hanao ny tena asany izy ireo ankehitriny’

Milaza ireo mpikarakara ny fandaharana fa ny tena tanjon'ny fandefasana an'io tetikasa io dia ny hanome tombony ho an'ireo mpifidy mba hiresaka amin'ireo solontenany sy hizara ireo ahiahiny ary ireo olany amin'izy ireo, ary koa mba hanome amin'ireo solombavam-bahoaka ny fahafahana manoratra momba ny fiainan'ireo mpandatsa-bato ho azy.

Miteraka fanontaniana eny amin'ireo Kirgyz sasantsasany mpaneho hevitra io, indrindra indrindra miaraka amin'ny Aicholpon Dadaeva, izay nanolotra hevitra mikasika ireo asa tena tokony hataon'ilay fandaharana lasibatra tsara.

как будто они прям такие сразу стали депутатами, им это все знакомо, лучше бы в детские дома няньками поработали бы или в больнице санитарами)

Sahala amin'ny toa parlemantera hatrany izy ireo. Mahalala zavatra ny maro amin'izy ireo.  Metimety kokoa ry zareo raha manao ny asan'ny mpitaiza zazakely ao amin'ny fitaizana zaza kamboty na toy ny mpitsabo mpanampy eny amin'ireo toeram-pitsaboana.

Nanolotra ireo hevitra samihafa ireo Kyrgyz hafa mpampiasa Facebook, toa an'i Jyldyz Djambolotovna:

Дешевый пиар! Лучше занимались бы своими проф. обязанностями! Пишите законы которые будут работать на народ !!!!

Hetsika maivana iray nataon'ny PR! Tokony ny tena asany no ataon-dry zareo ankehitriny – manoratra ireo lalàna izay mitondra soa/ilain'ny vahoaka!

Na koa ity hevitra avy amin'i Mirulan Sydykbekov ity:

Нет, пусть лучше на маршрутке, там народов больше и эффектов быстрее будет!

Tsara kokoa raha mamily minibus, ahitana olona marobe kokoa no sady manome vokatra tsara!

Mba ho ny tsara indrindra any Atsinanana sa ny ho ratsy indrindra any Andrefana?

Picture from the Facebook page of Ibraim Nurakun Uulu, the Kyrgyz parliament spokesperson

Sary avy amin'ny pejy Facebook n'i Ibraim Nurakun uulu, mpitondra-tenin'ny parlemanta Kyrgyz

Kyrgyzstan, izay filoha roa tao aminy no nalàna teo amin'ny toerany tato anatin'ny folo taona lasa, no firenena tokana ao Azia Afovoany izay sahala amin'ny mihaino ny olon-tsotra ny governemantany. Ezaka iray mba hanomezana vovonana iray ho an'ny vahoaka hihaonany sy hiresahany amin'ireo mpikambana ao amin'ny antenimiera, na dia PR fotsiny aza ilay izy, dia hetsika tsy ho hitanao sy tsy ho andrandrainao avy amin'ny soltànan'ireo Stans efatra ao Azia Afovoany (Fanamarihan'ny mpandika: Ny Stan dia entina ilazàna ireo firenena izay miafara amin'ny -stan ny anarany, manodidina an'i Afghanistan).

Na izany aza, fangatahan'ireo Kyrgyz sasantsasany no nilaza fa tsy tiany hampitahaina amin'ireo firenena manodidina azy ny fireneny, nefa noho ny fivoaran'ny tontolo, ny fanomezana ohatra momba ireo ny parlemantera Danoà, izay mitaingina bisikileta mandeha miasa.

Mandritra izany fotoana izany, taorian'ny fandefasana ny fandaharana voalohany, voamariky ny mpijery sasantsasany fa nanitsakitsaka ny lalànan'ny familiana fiara ireo parlemantera noho ny tsy fametahany ny hetra aro loza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.