Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ekipam-Pirenen'i Afghanistan Amin'ny Football Reharehan'ny Firenena Na Dia Ao Anaty Faharesena Aza

Afghanistan's national football team. Shared by the Afghan Football Federation via the federation's official Facebook group.

Ekipam-pirenen'i Afghanistan. Nozarain'ny Federasionan'ny Football Afghan via vondrona Facebook ofisialin'ny federasiona.

Volana vitsivitsy taorian'ny fisehoana feno fikirizana nandritra ny Mondialy cricket, dia niala ny kianja filalaovam-baolina ho toy ny maherifo ny ekipam-pirenen'i Afghanistan, na dia teo aza ny faharesena nanoloana an'i India tamin'ny famaranana ny SAFF na South Asia Football Federation (Federasionan'ny Football Aziatika Atsimo) tamin'ny 3 Janoary.

Tsy nisy nahatafiditra baolina ny roa tonta hatramin'ny minitra faran'ny fotoana ara-dalàna tamin'ny fizaram-potoana faharoa raha nitarika isa i  Afghanistan ary nosahalain'i India avy hatrany izany.

Afghanistan's national football team take the lead against India. Shared by the Afghan Football Federation via the federation's official Facebook group.

Nitarika ny isa ny ekipam-pirenen'i Afghanistan amin'ny football nanoloana an'i India. Nozarain'ny Federasiona Afghan Football tamin'ny alalan'ny vondrona ofisialin'ny federasiona.

Rehefa natao ny fanalavam-potoana vao nahatafiditra ny baolina faharoa i India ary nahazo ny amboaran'ny fifaninanana izay nahitana ity firenena ravan'ny ady ity mandresy an'i Bangladesh, Bhutan, ny Maldives ary Sri Lanka tao anatin'ny ezaka mampiaiky volana.

Ho fandrisihana ny ekipa dia nifampiresaka tamin'izy ireo talohan'ny lalao famaranana ny filohan'i Afghanistan Ghani:

Ny filoha Ashraf Ghani niteny an-telefonina tamin'ny ekipam-pirenena Football androany hiarahaba azy ireo tamin'ny fandresena vao azony sy mirary soa azy ireo amin'ny famaranana ny SAFF

Avy eo ny filoha nanaraka mivantana ny lalao famaranana tamin'ny alalan'ny fahitalavitra niaraka tamin'ny mpikambana vitsivitsy tamin'ny kabinetrany.

Mijery ny famaranana Amboara Suzuki SAFF teo amin'i Afghanistan sy India

Raha nanaraka ny lalao tany an-tranony kosa ny filoha teo aloha Hamid Karzai:

Filoha Afghan teo aloha Karzai H nijery ny lalao Amboara Suzuki SAFF tao an-tranony nipetraka tamin'ny karipetra sy dite maitso.

Nanatevin-daharana amin'ny fanohanana ny ekipam-pirenena ihany koa ireo minisitra, mpikambana parlemanta, mpihira ary ireo Afghan olon-tsotra.

Khalil Noori, zokiolona mpamokatra fandaharana ao amin'ny BBC monina ao Afghanistan, namoaka ny sarin'i Atta M. Noor, governoran'i Balkh, mijery ny lalao tao anatin'ny fientanentanana.

Governora Afghan Atta M Noor mijery ny lalao baolina ifanandrinan'i Afghanistan sy India

nanatrika ihany koa i Farzana Naz, vehivavy Afghan mpihira, mitazona ny sainam-pirenena Afghan sy mihoraka ho fanohanana ny ekipa Afghan miaraka amin'ny namana ao an-kianja:

Sarin'ny androany. Manavatsava lalan-davitra nankany India hanohana ny ekipa Football Afghan ilay mpihira Afg tsara tarehy Farzana Naz.

Koa satria moa notanterahina tany ivelany ny lalao famaranana dia teny amin'ny araben'i Kabul no nandehanan'ny vehivavy mpanohana hanohanana ny ekipam-pirenena.

Vehivavy sy tovovavy any an-dalambe hihoraka hanohana ny ekipan'i Afghanistan sy hijery ny Amboara SAFF Suzuki amin'ny efijery midadasika velarana tao Kabul

Ny ekipa Football sy Cricket no mampiray ny firenena Afghan sy manome fotoana azy ireo hahay hifankatia Bravo fa efa nandresy sahady isika

Tsy sambany i Afghanistan no nahavita zavatra tsara tamin'ny fifaninanana isaky ny roa taona izay lasa fifaninanana football misy dikany indrindra ao Azia Atsimo.

Tsy nampoizina ny fandrombahan-dry zareo ny fifaninanana tamin'ny 2013, raha mbola i India ihany no nifanandrinana, roa taona taorian'ny fandresen'io ekipa io 4-0 azy ireo.

Afghanistan's national football team in action. Shared by the Afghan Football Federation via the federation's official Facebook group.

Ekipam-pirenen'i Afghanistan eo am-pilalaovana. Nozarain'ny Federasiona Afghan Football tamin'ny alalan'ny vondrona Facebook ofisialin'ny Federasiona.

Na dia raraka teo amin'ny famaranana aza ny ekipa tamin'ity taona ity dia mihoatra noho ny fandresena ny zavabitan-dry zareo nahavalalanina ho an'ny Afghan maro, raha jerena ny fikorontanana ara-panatanjahantena niainan-dry zareo nandritra ny fotoana nanjakazakan'ny Taliban.

Taranaka iray no nandalo, manana ekipam-pirenena isika. Taranaka iray no nandalo, manana firenena iray manohana azy ny ekipantsika. Mihoatra noho ny fandresena na ny faharesena izany.

Ho setrin'ny siokan'i Ahmad Shuja, da nanoratra i Amar Sinha, Ambasadaoron'i India ao Afghanistan :

Tokony hirehareha amin'ny zavabitany ny tsirairay. Milalao tahaka ny tompondaka ry zareo ka efa mampanankarena ara-talenta sahady ny ligin'ny mpandray vola Indianina.

Raha nitondraka tao amin'ny ranom-boankazo miaraka amin'ny mpankasitraka football manerana izao tontolo izao i Zafar Mehdi, Afghan iray mpanao gazety [tsikera].

Afghanistan, ianao no nahazo azy. Nahazo fo maro ianao. 11 ianareo fa 12 i India Nilalao niaraka tamin-dry zareo ny mpitsara.

Voatafika ny kaonsilà Indianina

Ora vitsy taorian'ny famaranana anefa dia notafihan'olona mitam-piadiana ny kansilà Indianina ao Mazar-e-Sharif.

Nisioka i Harun Najafizada, mpanao gazetin'i BBC :

Niafina tao amin'ny trano fonenana iray miala 20 amin'ny kaonsilà Indiana ireo mpanafika tsy tafiditra tao amin'ilay toerana.

Tsy mahandry amin'ny fahazoana antsipirihany bebe kokoa amin'ity raharaha ity ireo Afghan hafa miahiahy amin'ilay ora nisian'ity fanafihana ity.

Ny Kaonsilà Indianina ao Mazar e Sharif ve izany no tena nokendrena? Iza no nanao izany? Aleo miandry am-pahendrina ny valiny.

Sharif Hassan, mpanao gazetin'i Washington Post miasa ao Afghanistan, nampitandriina fa tsy misy ifandraisany amin'ny football ilay fanafihana.

Ofisialy ao an-toerana: mpanafika 3 no niditra tamin'ny trano iray akaikin'ny kaonsilà ao an-tanànan'i Mazar-e-Sharif. Tsy herisetra mifandraika amin'ny Football io.

Olona iray ihany no nahazoana tatitra ho naratra tamin'ny fanafihana.

Na dia tsy nisy aza ny vondrona nilaza ho tompon'andraikitra, dia manahy ny Afghan fa mety hanimba ny finamanana matanjaka eo amin'i Afghanistan sy i India izany.

Afghanistan's national football team, heroes in defeat. Shared by the Afghan Football Federation via the federation's official Facebook group.

Ekipam-pirenen'i Afghanistan amin'ny football, maherifo ao anatin'ny faharesena. Nozarain'ny Federasionan'ny Football Afghan tao amin'ny vondrona Facebook ofisialin'ny Federasiona.

Nisioka ho amin'ny fanomezan-toky indray ny filoha lefitr'i Afghanistan, ny Jeneraly Abdul Rashid Dostum :

Tsy misy herisetra atao amin'i India manimba ny fifandraisantsika. Ny eritreritray dia miaraka amin'ireo ekipa sy diplaomaty rehetra ao Mazar-i-Sharif.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.