· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Sakafo tamin'ny Jolay, 2017

Iran : Fiakaran'ny vidim-piainana sy ny Voatabia

  27 Jolay 2017

Matetika lavin'ny fitondrana ny fiakaran'ny vidim-piainana, ary manome antoka mihitsy aza izy ireo fa zavatra foronon'ny vahiny sy ny haino aman-jery izany. Saingy nandritra ny volana vitsy lasa, haingana sy goavana loatra tsy mbola nisy tahaka izany tao Iran ny fiakaran'ny vidim-piainana.

Hongria: Ny Paprika Ao Szentes

Hitako ity toerana ity omaly. Moa ve ny tompon'ity trano ity tena tia fatratra ny Paprika ? Sa fomba iray hahazoana vola fanampiny? Na inona na inona antony, ny zavatra azo antoka dia ny hoe, hiafara ho "zava-manitra" an-dakozia maro ao Szentes ireo paprika natao girilandy tsara tarehy (paprikafuzer) ireo.

Zimbaboe: Endriky ny Krizy Sy Antso Fanampiana

  05 Jolay 2017

Namoaka ny Time 2 Act (Fotoana Izao Hiasàna), lahatsary antserasera hanehoan'ny vahoaka Zimbaboeana ireo fomba isan-karazany hanimban'ny krizy ao amin'ny firenena ny vahoaka sy ny fari-piainan'ireo tafavoaka velona ny fikambanana CIVICUS