Tantara mikasika ny Sakafo tamin'ny Jolay, 2011
Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao
Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny fianakaviany.
Sina: Tsy hatahorana ve ny “pastèque mipoaka”?
Volana vitsy lasa izay dia nilaza ny olana iainan'ireo mpamboly ao amin'ny faritanin'ny Jiangsu ny media sinoa, olana izay nilazan'izy ireo fa mipoaka ny pastèque amboleny vokatry ny fampiasana zezika...
Mozambika: Ilay Kitapo Hiadiana Amin'ny Fahantràna Niteraka Resabe
Ao Mozambika, niteraka fifandroritan-kevitra teo amin'ny samy olom-pirenena ny iray amin'ireo fepetra naroson'ny governemanta mba hanamaivanana ny fiantraikan'ny sondrom-bidim-piainana amin'ny vahoaka. Na betsaka aza ny fanantenàna, dia nambàra ny “fanafoanana” io Kitapo misy ny Filàna Fototra io ny 16 Jona.