Tantara mikasika ny Sakafo tamin'ny Jona, 2017
Etazonia: Herinandro Ho An'ny Tantaran'ny Hazondrongony, Mamonjy Zanakazo Sy Planeta
Anatinà vanim-potoana sarotra ara-toekarena, inona no antony mety handraràna ny fambolena mitodika amin'ny indostria ny zanakazo iray tena ilaina sy ahazoana tombontsoa, izay saika tsy mila fanafody famonoana bibikely?
Andron'ny Zavamamy Japoney, Midika Fa Feno Sarinà ‘Wagashi’ Mampiraraka Ivy ao Amin'ny Twitter
Nahafantatra ve ianareo hoe nohajain'i Japàna hatrany ny "andron'ny zavamamy nentindrazany" rehefa 16 Jona, ary efa nandritry ny an'arivo taona maro izany?
Ao Hong Kong, Angatahan'ireo Mpikatroka Ireo Toerana Fisakafoanana Mba Hanaisotra Anaty Tolotra Sakafony Ny Lasopy Misy Sombinelatra Antsantsa
"Toy ny fanànan'ireo mpanjifa ao Hong Kong andraikitra amin'ny fampitsaharana ny fihinanana sombinelatra antsantsa, dia manana andrkitra ihany koa ireo vondrona toy ny Mazim's amin'ny fampitsaharana ny fivarotana izany.."
Andiana Bibin-tsaonjo Mpiantafika Rehefa Fahavaratra, Mandravarava ny Voly Any Amin'ny Firenena Afrikàna Marobe
Mety hiteraka fatiantoka hatramin'ny 70 isanjato amin'ny vokatra miakatra ity bibikely ity
Ny Fomba Niatrehan'i Sri Lanka ny Tondradrano Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona
Mihoatra ny 100 no maty ary olona mihoatra ny 400.000 no nafindra toerana lavitry ny loza voajanahary nateraky ny tondradrano sy ny fihotsahan'ny tany. Io no tondradrano ratsy indrindra tao amin'ny firenena tato anatin'ny folo taona.
Tonizia: Ny Gazety Baklava
Maneso ny gazety iray ato amin'ity lahatsoratra amin'ny teny Arabo ity ilay bilaogera Toniziana Boudourou noho ny famoahana dokambarotra izay mandrisika ny mpamaky mba hisoratra anarana ary hahazo fonosana balkava misy an'irony 'amandes' irony.
Lehilahy Palestiniana Iray Manira-Tena Hampanao ny Fambolena An-tanandehibe ho Azo Iainana Kokoa
Fantaro i Said Salim Abu Naser , mpanohana ny fambolena maharitra izay mipetraka sy miasa ao an-tanàndehiben'i Gaza , Palestina, manamorona ny Morontsirak'i Mediteranea.
Egypta: Embona Shawerma
Misy ve ny tsiron-kanina sy ny fofon-kanina mijanona maharitra ela ao an-tsainao rehefa miova ny vokatra, ny tsiro, sy ny fofona ? Manontany momba izany fotsiny ity fandikanteny avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo Egyptiana ity.
Frantsa, Amerika, Afrika: Ny Loka “Y'a Bon”
Tamin'ny 17 Martsa 2009, nanomboka ny "Loka Y'a Bon " ny vondrona antsoina hoe les Indivisibles [Fr] , fanomezam-boninahitra iray hafa kely, izay natolotra ho an'ireo mpanao politika, mpanao gazety, sy mpiasam-panjakana izay nandray anjara tamin'ny fanelezana ny fanavakavaham-bolokoditra tao Frantsa.