· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Sakafo tamin'ny Oktobra, 2017

Karatra Paositaly Avy Any Congo

Mora ny mifantoka fotsiny amin'ny rivotra mifamahofaho ara-politika ao RDC miaraka amin'ny fifidianana , ny fanambaràna ny fihodinana faharoa, ny fifandonana nahery vaika teo amin'ny kandidà ho filoham-pirenena roa tonta. Na izany aza, maro ireo bilaogera ao Kongo no nanoratra momba ny zavakanto, kolontsaina sy ireo fomban'izao tontolo izao hafa...

31 Oktobra 2017

Kambodza: ​​Mpitantara Antserasera Vaovao 

Araka ny tatitry ny fikarohana iray navoakan'ny Pew Internet vao haingana, tsy mihevitra ny tenany ho mpanao gazety ny ankamaroan'ny bilaogera antserasera . Matetika tsy mahavita ny vitan'ny mpanao gazety izy ireo. Ahitana ireo andian'antsafa maromaro nataon'ireo olom-pirenena nomerika izay manao ny asan'ny fampitam-baovaon'olom-pirenena ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kambodziana.

26 Oktobra 2017

Però: Ny Ranom-boankazo Amazoniana

Alejandro, Peroviana monina any Kalifornia izay namaritra ny bilaoginy samihafa ho "tetezana eo anelanelan'i Kalifornia, Però, izao tontolo izao, ny tenako, izy ireo no fitaratra." Niverina tany Però izy vao haingana ary sambany nitsidika ny faritra avaratra atsinanan'i Amazonia sy naka sary maromaro mampiseho ny fivarotana sakafo eny an-dalambe ao an-toerana ho an'ny tranonkalan'ny bilaoginy mampilela-molotra Peru Food.

13 Oktobra 2017