Tantara mikasika ny Sakafo tamin'ny Septambra, 2015
Mandray Anjara Goavana Amin'ny Fampianarana Ao Japana Ny Sakafo Atoandro Any An-tsekoly
Nanatontsa lahatsary fampahafantarana manome fomba fijery lehibe mikasika ny maha-zava-dehibe ny sakafo atoandro any an-tsekoly amin'ny fianarana any amin'ny sekoly Japoney ny Cafeteria Culture (CafCu) (Kolontsaina Hotely Fisakafoanana).
Arantin'ny mpisera Twitter manerantany ny sakafo okrainiana hita any am-pivarotana ao amin'ny toerana misy azy

Niangavy tamin'ny mpanjohy azy ny minisitry ny fambolena ao Okraina hamoaka sary ireo vokatra avy ao Okraina hita any amin'ny mpivarotra voka-pambolena sy fiompiana manerana izao tontolo izao hampisehoana ny fahalavitana tongan'ny voka-pambolena aondran'ny firenena any ivelany.
Siriana Mpitsoa-ponenana Maniry Fanangonam-bola Ho An'ny Toeram-pisakafoanany Ao Brezila
Manao izay hanatanterahana ny nofinofiny vaovao Breziliana ilay Syriana mpitsoam-ponenana Talal Al-Tinawi, amin'ny fanangonana famatsiam-bola mba hanokafana toeram-pisakafoana Syriana-Libane, mba hizaràna ny fitiavany mahandro amin'ireo eo an-toerana.