Tantara mikasika ny Sakafo tamin'ny Avrily, 2018
Lahatsary: Ny Popcorn Shinoa Mipoaka
Nivezivezy tao amin'ny aterineto ny lahatsarin'ny teknika shinoa fanamboarana popcorn. Na dia vokatry ny fipoahan'ny voa-katsaka (amin'ny feo ping sy pop) izay mandeha tsy ankijanona aza ho an'ny maro ny popcorn ; any Shina kosa, feo hafa (bang) mipoaka no hahenoana ny fikarakarana izany.
Laos: Fetiben'ny Hazakazaka Sambo
Manamarika ny faran'ny fifadian-kanin'ny Bodista any Laos sy any amin'ireo firenena mifanila aminy ny fetiben'ny hazakazaka sambo. Namoaka lahatsarin'ilay Fetiben'ny Hazakazaka Sambo nifarana vao haingana tao Pakse i Darly ao amin'ny vohikala Lao Voices. Tanàna iray ao amin'ny reniranon'i Mekong ao Laos Atsimo i Pakse, ary toeram-pivarotam-paritra goavana.
Japàna: Nafaitra ve ny Beaujolais Nouveau?
Eritreretiko fa zavadehibe ny fitadiavana angovo vaovao, saingy ankehitriny ami'ny isika efa lasa diso manankarena loatra, moa ve tsy tokony hamerina haminavina indray ny fomba fitehirizana angovo sy ny fampiasàntsika angovo mamokatra i Japana?
Hindi: Fandresena Tamin'ny ‘Cricket’ Sy Sakafo Matsiro Tany Delhi Taloha
Salanitra ny mpankafy 'cricket' indiana fa nandresy indroa misesy i India. Tafavoaka namiratra i Sri Lanka, resiny ny tompon'ny amboara erantany, Aostralia. Tantarain'i Dipanshu ny fikarohany sakafo matsiro sy mampilendalenda tany Delhi taloha....
Bangladesh ve no ‘firenena tsy mihinan-kena indrindra’ eto amin'izao tontolo izao? Tsy dia izany loatra
"Tsy midika ho an'ny olona tsirairay ara-bakinteny ho tsy mpihinan-kena mihitsy ny fihinanana hena kely!!"
Kazakhstan: Miresaka Momba Ireo Sangany Ara-politika sy ny Toekarena Ny Bilaogera
Mbola mitoetra ho lohahevitra mafana eo amin'ny tontolom-bilaogy Kazakhstani ny ady anatiny ifanaovan'ny samy sangany sy ny ady amin'ny kolikoly, saingy mahatonga ny bilaogera hitatitra ao anatiny resadresany ny fanahiana krizin'ny sakafo manerana izao tontolo izao sy ny fiantraikany amin'i Azia Afovoany.
Japana: Manova ny Fankalazàna ny Taombaovao
Fotoampialantsasatra anisan'ny lehibe indrindra ho an'ny ankamaroan'ny mponina ao Japana ny Taombaovao, mitondra lanja miavaka izay rehetra miseho ny "voalohan'ny taona": ny andro voalohan'ny taona, ny fiposahan'ny masoandro voalohany, ny nofinofy voalohany, ny varotra voalohany...
“Ny Araben'ny Androany” Zava-misy ao Tokyo Asehon'ilay YouTuber Mimei
Bilaogeran-dahatsary malaza monina ao Tokyo, Mimei mampiseho ireo arabe isan-karazany ao amin'ny tanàna be mponina indrindra ao Japana, iray isan'andro ao amin'ny YouTube, Instagram, Twitter sy fantsona media sosialy hafa.