Tantara mikasika ny Sakafo tamin'ny Novambra, 2018
Sahara Andrefana: Adihevitra mikasika ny sarintanin'i McDonald
Niatrika adihevitra ny sampan'ny McDonald Maraokana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny namoahany kilalaon'ankizy "Happy Meal" izay ahitana sarintanin'i Maraoka. Ny sisintany eo amin'ny sarintany dia manasaraka an'i Sahara Andrefana amin'i Maraoka; Faritany ifandiran'i Maraoka sy ny Front Polisario tohanan'ny Alzeriana i Sahara Andrefana.
Sary avy any Tahiti: Tsenan'i Papeete
Mamoaka sarin'ny tsenan'i Papeete ilay blaogera sady mpampianatra ao an-toerana, Jean-Marc
Mibilaogy momba an'i India: akoranafo bio, manga, akondro, “chick-lit” sy Bollywood
Manana endriny samihafa amin'ny fanoratana momba an'i India amin'ity herinandro ity izahay. Anisan'ireo lohahevitra noresahana ny: bio-carburants, chick-lit (tantaram-pitiavana), manga, akondro, Madras ary Bollywood.
Miatrika olana ara-tontolo iainana ny reniranon'i Litani ao Libanona, renirano lehibe indrindra ao amin'ny firenena
Nampiseho ny fikarohan'ny Oniversite Amerikanina ao Beirota fa ny rano nalaina tao Litani nandritra ireo volana fahavaratra maina kokoa dia rano maloto avokoa. Hita fa feno singa-metaly mivangongo be ireo legioma voatondraka tamin'ny rano maloton'ny renirano, izay mety hisy fiantraikany amin'ny hoza-doha ary manakorontana ny fiasan'ny fo sy ny voa.