Tantara mikasika ny COVID-19 tamin'ny Mey, 2020
Mifanohitra amin'ny siansa ny finoan'ity mpanjaka ity ny raokandro ho fanefitry ny COVID-19
Mihevitra ity mpanjaka Nizeriana ity fa afaka manasitrana COVID-19 ny raokandro. Saingy mety mamitaka sy mampidi-doza vahoaka ny fanaovana filazana tsy voaporofo amin'ny alalan'ny Twitter ahitana mpanjohy an'aliny.
Mampiseho ny krizin'ny COVID-19 ao amin'ny firenena ny Nepaley mpanao sariitatra
Nampiasa fanesoana sy vazivazy ny mpanao sariitatra Nepaley hanehoana ny fihibohan'ny firenena.
Venezoeliàna miisa 34.000 atosiky ny valanaretina hifindra monina ao amin'ny taniny ihany
500 isanandro ireo mpifindra monina tonga ao Cúcuta , tanàna iray an-tsisintany, mihevitra ny hody any Venezoelà. Tamin'ny 15 Aprily, 34.000 no fitambaran'ireo olona nandingana ny sisintany nandalo tao amin'ilay tanàna.
“Mijanona an-trano izahay androany”: ilay hira faneva tsy nampoizina ho an'ny fihibohana noho ny COVID-19 ao Rosia
Ny "We're staying home today," (Mijanona an-trano izahay androany) hira efa tamin'ny 2017, nohirain'ilay tarika Hadn Dadn avy ao Maosko, no nambabo ilay firenena izay miala am-pitandremana fatratra amin'ny fihibohana
Nitaraina ilay vehivavy mpikambana ao amin'ny Kongresy Hondiorana fa nosakanana tamin'ny fivoriana virtoaly izy
Ao anatin'ny fotoanan'ny COVID-19 sy ny fihibohana, mety hanimba ny dingana ara-demokratika amin'ny alalan'ny tsy fahombiazana tsotra izao na ny teti-dratsy ny fampiasana ny teknolojia izay manolo ny fivoriana hifanatrehan'ny olona.
Diarin'ny COVID-19 avy ao Wuhan : « Vita ihany ny mivelona amin'ilay valanaretina, fa tsy telina ny fanilikilihana, ny tahotra ary ny fankahalàna. »
Ho takalon'ny fahafahany mivezivezy rehefa vita ny fihibohana dia tsy maintsy mataon'ny olona ny tatitra momba azy ireo amin'ireo solotena isam-bohitra sy amin'ireo manampahefana ara-pahasalamàna.
« Rehefa maty, dia maty» : ny COVID-19 sy ny fanokafana indray ny toekarena ao Jamaika
Miaraka amin'ny fialàna amin'ny fihibohana, hiverina amin'ny andavanandro ny toedraharaha. Tsy mino aho hoe ho « andavanandro vaovao » io, fa dia andavanandro fotsiny
Noho ny ady ataon'i Tonizia amin'ny Covid19, voatohintohina ny fahalalahana maneho hevitra
Roa ireo bilaogera nosamborina satria niampanga ireo manampahefana any an-toerana ho nanao kolikoly mifandraika amin'ny fitsinjaràna ireo fanampiana, raha iray kosa mpanao gazety miatrika ompa sy fanivaivàna ety anaty tambajotra satria nanakiana ny minisitry ny fahasalamàna.
Amin'ny tratran'ny COVID-19 efa ho 20.000 ao Balkans, ampahatelony mihoatra no ao Serbia
Tsy niraharaha ity areti-mandringana ity i Serbia tamin'ny voalohany ary nananihany aza
Vehivavy mijanona an-trano ao Arzantina nanao fihetsiketsehana avy eny am-baravarakely noho ny firongatry ny famonoana vehivavy
Nitombo 60 isanjato ny antso vonjy an-telefaonina hatramin'ny nanombohan'ny tsy maintsy hihobohana tamin'ny 20 Martsa.