Tantara mikasika ny COVID-19 tamin'ny Janoary, 2021
Hetsi-panoherana manoloana ny setriny ataon'i Nepal amin'ny ady amin'ny COVID-19 ataon'ny tanoralahy iray
Natsangan'i Iih, Nepaley mpikatroka, ny hetsika ara-piarahamonina iray, ary nandeha 167 km izy hanintonana ny fifantohana amin'ny tsy fetezan'ny setriny ataon'i Nepal manoloana ny valan'aretina -- sy nanampy ireo izay niantraikàny mafy.
Tonga ao Trinidad & Tobago ilay sosona COVID-19 avy any amin'ny Fanjakana Mitambatra
Fitiliana antsoina hoe "genome sequencing testing" teo ambany fitarihan'ny Oniversiten'ny Antilles no nahatiliana ity karazana vaovao ity
Mpianatra voasambotra tany Balochistan noho ny fitakiana ny fahazoana miditra amin'ny aterineto
Nanaovana herisetra, novelesina kibay ary nosamborina tao Quetta, Balochistan ny mpianatra maromaro noho ny fihetsiketsehana manohitra ny tsy fisian'ny aterineto taorian'ny niovan'ny fampianaran'izy ireo ho ampitain-davitra vokatry ny fepetran'ny COVID-19.
Miatrika ny vanim-potoanan'ny fizahantany tsy mahazatra ny torapasika fitsangatsanganana any Albania
Tamin'ny volana Mey 2020, nijery ny fiomanan'i Albania tamin'ny vanim-potoan'ny fizahantany tsy mahazatra ny Global Voices. Mifangaro ny zava-misy rehefa nanomboka izany.
”Sarin'ny tanàna madio” any Singapore , mampiseho mizàna tsindrian'ila amin'ny fikarakarana ireo mpifindra monina mandritra ny COVID-19.
"....na tsara aza no anaovanao ny ankamaroan'ny zavatra rehetra, raha toa ianao tsy mihevitra na tsy mikaroka amin'ny fomba mahay mijery lavitra ireo tena marefo sy natao an-jorom-bàla ao anatin'ny fiarahamonina, tsy hahomby ny ady ataonao amin'ny #COVID19."
COVID-19 eny am-bava-ady: antsafa niarahana tamin'ny Vokovoko Mena ao Ekoatora
"Ao amin'ny Vokovoko Mena, mino ny maha-olombelona izahay, amin'ny filàna manamaivana ny fangirifirian'ny olombelona amin'ny vanimpotoana sy toejavatra rehetra."
Novonoin'ny valan'aretina ny Karnavaly 2021 an'i Trinite sy Tobago, fa mamelona ny fanahiny ny hira soca
"Zava-niainana ny mozika Soca, Tsy misy hahatsindry ny fahatsapana azonao rehefa [...] henonao ity hira iray izay mandòna anao ao anaty onjam-pihetsehampo."
Tsy afaka miady amin'ny COVID-19 ny sakafo japoney mahery, saingy mety hanalava ny andro iainanao
Tany amin'ny antsasaky ny volana Martsa tany, nisy orinasa iray fikarohana momba ny mpanjifa tao Japana nahita fa saika ny 40 isan-jaton'ireo Japoney nanaovany fanadihadiana no nampiditra sakafo hafa fanampiny tanatin'ny fihinany isanandro mba "hanamafisana ny hery fiarovany".
Tamberina 2020: Ahoana ny nahatonga ny voina nateraky ny COVID-19 ho lasa tantaram-pahombiazan'ny maodely shinoa
Niandoha tamin'ny alalan'ny fiparitahan'ny COVID-19 tao Wuhan ny taona 2020. COVID-19 no lohahevitra be mpiresaka indrindra nandritra ny taona tao amin'ny media sosialy shinoa.
Fitantanan'ny Roandey nandritra ny valanaretina: Fotoanan'ny fandinihantena izao
Volana maro taorian'ny nampiharana ny fanapahankevitra hanao fihibohana, tsy nasian'ny governemanta resaka ny fitakian'ny vahoaka momba ny fanampiana ara-tsakafo. Fotoana ve izao tokony hiverenany mandinika ny lasitra fitantanany?