Tantara mikasika ny COVID-19 tamin'ny Janoary, 2022
COVID-19 : Tsy ho sitrana amin'ny fampiasana fanafody ratsy izany ianao
Tatitra fiarahamiasa vaovao miezaka manambatra ireo "faktiora tsy hita" avy amin'ny famahana ny COVID-19 tohanan'ny IFI, mandrakitra ireo lesoka maro, ary mametraka fanontaniana manakiana momba ny famahana ny areti-mifindra misy ankehitriny.
Mbola tsy mivaha ny raharaha lazaina fa nanapahan'ny polisy jamaikana ny dreadlocks ny vehivavy iray
Ramatoa King no tandindon'ny 'tsy manana;' ao Jamaika, izay tsy raharahiana ny zo maha-olombelona azy ary matetika tsy voahaja sy araraotina.
Hitan'ny kiadin'ny aterineto misy lesoka ny fanafenan-tsoratry ny fampihatra tsy maintsy apetraka amin'ny lalao olaimpika shinoa
Takiana ireo atleta, mpanao gazety ary ireo mpanatrika ny Olaimpika Ririnina any Beijing rehetra mba hampiasa ny fampiharana My2022 kanefa mety ho voasintona antenatenan-dalana ny angon-drakitra nomena tamin'ny alalan'ny fampiharana.
Mahomby ve ny vaksiny COVID-19 novokarin'i Torkia
Tamin'ny volana Desambra 2021, nankatoavin'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan ny vaksiny Turkovac ho ampiasana vonjimaika. Nilaza ny manam-pahaizana fa tsy misy ny angondrakitra siantifika sy porofo milaza ny fahombiazan'ilay vaksiny.
Mitaky fepetran'ny COVID-19 henjana kokoa ho an'ny miaramila Amerikana i Japana
Ho an'ny sasany, tsy ampy hiatrehana ny fandrahonan’ny COVID-19 amin'izao fotoana ny "mambo" ao Japana izay heverin’izy ireo fa ny tafika Amerikana no nahatonga izany.
Tondradrano be ao Indônezia, mihoatra ny 30.000 ny olona tao amin'ny faritr'i Sumatra no nafindra toerana
Taorian'ny herinandro nisian'ny orambe nivatravatra tao amin'ny nosy Sumatra ao Indônezia, mihoatra ny 30.000 ny olona nafindra toerana ary zaza telo no maty noho ny fiakaran'ny rano tampoka
Trinidad & Tobago, harena mozikaly telo no veriny hatramin'ny fiandohan'ny 2022
Nodimandry daholo ireo zokiny indrindra mpiangaly calypso maredona, mpiangaly soca parang, ary ilay mpisava làlan'ny gadona Kaiso Jazz, namela an'i Trinidad&Tobago ho mahantra.
Lasibatry ny Minisiteran'ny Atitany amin'ny vesatra fampihorohoroana mampiady hevitra ny Kaominina Istanbul
Ity fanadihadiana ity no fifandirana farany indrindra teo amin'ny Antokon’ny fitondrana Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) sy ny Antoko mpanohitra lehibe Antokon'ny Vahoaka Repoblikana (CHP).