ONI: Nosakanan'i Ethiopia ny tranokalan'ny mpanohitra sy ny bilaogy an-tapitrisany  

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny The Openet Initiative, nosakanan'ny manampahefana Ethiopiana ny fidirana tamin'ny tranokalan'ny mpanohitra sy ny bilaogy miantrano ao amin'ny Blogger. “Nifandraika tamin'ny fahalalaham-pitenenana, ny zon'olombelona ary ny fanoherana ara-politika ny ankamaroan'ireo tranonkala izay hitanay fa voasakana,” hoy ny talen'ny fikarohana OpenNet Robert Faris tamin'ny Reuters. “Heveriko fa mahatonga ny governemanta Ethiopiana ho tena masiaka amin'ny fahalalahana miteny sy hanokatra ny adihevitra ara-politika izany fanapahan-kevitra izany” hoy Ethan Zuckerman, mpiara-manorina ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.