Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012

[ Amin'ny teny Espaniola ny rohy rehetra raha tsy misy toromarika]

Vita tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faharoan'ny hackathon isam-paritra ho Fampandrosoana an'i Amerika Latina  2012, izay nokarakarain'ny Fikambanana Ciudadano Inteligente. Tamin'ity taona ity dia natao tany  aminà firenena valo any Amerika Latina ny fifaninanana : Arzantina, Bolivia,Brezila, Shily Costa Rica,Meksika, Pero ary Orogoay.

Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora, nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo tarika nandray anjara isam-paritra mba hahalàlana ny fanapahan-kevitr'ireo mpitsara taty aoriana kely.

Nanambara  ireo mpandresy telo avy amin”ireo ‘applications’ 26 natolotra tao amin'ny fireneny ny tranonkala Fayerwayer, avy any Shily :

Equipo ganador DAL2012 Chile

Tarika nandresy tamin'ny  DAL2012 Shily. Sary nozarain'i @Tia_Ivonne avy amin'ny Twitter.

  • Seg3“: Creada por Ivonne Yañez y Rodrigo Fuentealba, esta app ayuda a realizar evaluaciones médicas generales a adultos mayores, mediante tests en el ámbito fisiológico, deterioro cognitivo y trastornos afectivos, proponiendo ciertas actividades y seguimiento a las personas a su cuidado.
  • “Friendly Food“: Una aplicación para smartphones que ayuda a elegir alimentos saludables en el supermercado, haciendo una evaluación rápida del contenido nutritivo.
  • “Ciclo rutas”: Una app para ciclistas, donde estos pueden dar a conocer los recorridos que realizan, independientemente de si hay ciclovías o no. La idea es que con esta información, los gobiernos puedan evaluar la creación de nuevas ciclovías.
  • Seg3“: noforonin'i Ivonne Yañez sy Rodrigo Fuentealba, ity ‘application’ ity dia manampy amin'ny fizahana ny toe-pahasalamana ankapoben'ny antitra amin'ny alàlan'ny fanadihadiana ny toe-batana, ny fahavoazana  ara-tsaina ary ny fikorontanan'ny ara-pitiavana, amin'ny fanolorana azy ireo hetsika azo antoka sy fanaraha-maso ny fikarakarana.
  • “Friendly Food“: ‘Application’ natao ho an'ny  smartphones izay hanampy [ny mpampiasa] hifidy ireo sakafo ara-pahasalamana any amin'ireo toeram-pivarotana lehibe amin'ny fanombànana haingana ny singa mahavelona entin'io sakafo io.
  • “Ciclo rutas”: [Làlana azo aleha am-bisikileta] ‘application’ ho an'ny mpitaingina bisikilety, izay hahafahan'izy ireo mampahafantatra ny làlana alehany na dia tsy mijery ny toetry ny làlana hoe azo sa tsy azo aleha aza. Ny hevitra amin'izany dia ny mety hampiasain'ny governemanta io fampahafantarana io haminavinana tsara kokoa ny famoronana làlana vaovao ho an'ny bisikilety.

Nambaran'ny TechnoChat ireo mpandresy telo tamin'ny ekipa 11 nandray anjara tany Costa Rica :

Equipos DAL2012 Costa Rica

DAL2012 Ekipa tany Costa Rica. Sary nozarain'ny Inco Group tamin'ny Facebook.

Primer lugar: Pixelated Dot, compuesto por William Rodríguez, Diego Carballo y David Madrigal. Ellos desarrollaron un juego denominado “Escuadrón Salud”, que permite educar a los niños de 6 a 10 años en materia de prevención de enfermedades. En el prototipo utilizaron de referencia el dengue y la diarrea.

Segundo lugar: TIC, compuesto por Daniel Castro, Mauricio Muñoz y Samantha Ramijan. Este equipo desarrolló una solución para que los médicos puedan, al recetar, consultar la disponibilidad de un medicamento en la farmacia, además, con la puesta en línea de la aplicación, se reduce el tiempo y despacho de las recetas prescritas.

Tercer lugar: The Code Monkey, compuesto por Natalia Sibaja, Leonardo Ortiz, Iván Alarcón y Javier Carvajal. Este grupo desarrolló una plataforma que brinda los datos sobre sismos que acontecen en el país y permite al usuario detallar información sobre su estado, así como emitir alertas en caso de riesgo.

Toerana voalohany: Pixelated Dot, misy an'i William Rodríguez, Diego Carballo ary David Madrigal. Namorona ny kilalao antsoina hoe “Escuadrón Salud” [Ekipa momba ny Fahasalamana] ny tarika, izay hampianatra ny ankizy 6 ka hatramin'ny 10 taona ny resaka fiarovana amin'ny aretina. Nampiasain'ny tarika ho ohatra ny denge sy ny aretim-pivalànana.

Toerana faharoa : TIC, misy an'i Daniel Castro, Mauricio Muñoz ary Samantha Ramijan.  Nanao  vahaolana ho an'ny mpitsabo mba hanamarinana ny fanafody any amin'ny toeram-pivarotam-panafody rehefa hanoratra ny taratasim-panafody ho an'ny marary ity tarika ity. Tsy izany ihany, fa  hamandrihana izany amin'ny aterineto ihany koa mba hampihena ny fotoana hikarakarana sy hizarana ireo taratasim-panafody.

Toerana fahatelo: The Code Monkey, misy an'i Natalia Sibaja, Leonardo Ortiz, Iván Alarcón ary Javier Carvajal. Ity tarika ity dia nanao ny sehatra izay hanolotra angon-drakitra momba ny horohoron-tany mitranga ao amin'ny firenena sady hahazoan'ny mpampiasa azy ny vaovao amin'ny antsipirihiny momba ny toerany, mba ahazahoana mampiomana raha misy atahorana.

 Manoratra ry zareo ao amin'ny OpenDataMx mikasika ireo tetikasa fito izay nandray anjara ary atolony ireo telo nandresy :

Ganadores DAL2012 México

Ireo mpandresy tamin'ny DAL2012 tany Meksika. Sary nozarain'i Juan M Casanueva tamin'ny Facebook.

Codeando México 1er lugar Integrantes: @adrian22 @emikebr @rod_wilhelmy @edolopez @juanpabloe @javi_ayala. Codeando México busca habilitar un espacio de hackatón permanente en donde la transparencia y colaboración ocurren todos los días, codeandoMexico es una plataforma donde se pueden publicar proyectos por parte de fundaciones o gente de la sociedad civil exponiendo datos abiertos e involucrando interesados del área de tecnología, diseño, o de industrias en general para desarrollar una solución tecnológica.

FONDOxDiabetes 2do lugar Integrantes: @dave_domz @karemcitamz @mgjoseluis Elías Sánchez Martín. FONDOxDiabetes es un sitio de consulta y participación ciudadana en donde se puede votar a favor o en contra georeferenciando los votos y publicando argumentos a favor y en contra. Se buscó exponer el problema del consumo de refrescos embotellados en México y su relación con la diabetes, un problema de salud pública nacional.

InfoAgua 3er lugar Integrantes: @janzaldo @tuxtitlan @balam_0 @lepamaz. InfoAgua es una herramienta de consulta para realizar análisis estadísticos del agua en relación al crecimiento de la población y detectar factores de riesgo por Entidad Federativa. También se realizaron juegos interactivos educativos para Facebook vinculados a la educación sobre la problemática del agua.

Coding Mexico Toerana Voalohany Mpikambana: @adrian22 @emikebr @rod_wilhelmy @edolopez @juanpabloe @javi_ayala. Coding Mexico dia vovonana mikaroka ny hampiantranoana habaka hackathon iray maharitra izay isian'ny mangarahara sy ny fiaraha-miasa isan'andro. Ny Coding Mexico dia vovonana iray ahafahana mamoaka tetikasa amin'ny anaran'ny fikambanana na olon-tsotra hampirantiana angon-drakitra misokatra ary andraisan'ny olona liana anjara  amin'ny sehatry ny teknolojia, ny famolavolàna na ny taozava-baventy amin'ny ankapobeny mba hamoronana vahaolana ara-teknolojia.

FONDOxDiabetes Toerana Faharoa Mpikambana: @dave_domz @karemcitamz @mgjoseluis Elías Sánchez Martín. FONDOxDiabetes dia fizahàna sady fandraisana anjara amin'ny tranonkala izay ahazoanao mankasitraka na tsia, fifidianana georeferencing,  hatramin'ny fanehoana ireo tohan-kevitra fankasitrahana na fanoherana. Nikaroka ny hampisehoana ny olana amin'ny fisotroana zava-pisotro anaty tavoahangy any Meksika sy ny fifandraisany amin'ny diabeta, olana nasionaly momba ny fahasalamam-bahoaka.

InfoAgua [InfoWater] Toerana Fahatelo Mpikambana : @janzaldo @tuxtitlan @balam_0 @lepamaz. InfoAgua dia fitaovana fijerena mba hitondràna antontan'isa fanadihadiana momba ny rano mitaha amin'ny fitombon'ny mponina ary hitadiavana izay anton-javatra mety hitera-doza ho an'ny Vondrona Itambarambe. Mitondra lalao fampianarana ao amin'ny Facebook ihany koa izy ireo mampianatra ny vahoaka momba ireo olana manodidina ny rano.

Nambaran'i Escuelab ny Peroviana nahazo ny fandresena :

Equipos, colaboradores y staff de DAL2012 en Perú

Ireo ekipa, mpiara-miasa ary ny mpitantana ny DAL2012 tany Peru. Sary avy amin'i Maru Panta http://visorperu.com/ for Escuelab. Nahazoana alàlana tamin'ny mpamorona.

Primer lugar grupo: Rememos. Proyecto: Monitoreo Ambiental. Integrantes: Antonio Cucho Gamboa, Renzo Arauco, Jordi Cook, Juan Luis Peña

Segundo lugar grupo: YS. Proyecto: Alerta Ciudad. Integrantes: Arturo Ochoa, Riccardo Mija, Franks Samamé, Paul Osorio Schuler

Tercer lugar grupo: #OTA. Proyecto: EducAya! Integrantes: Pedro Valverde, Jairo Gutierrez, Daphne Orihuela

Toerana Voalohany: Rememos. Tetikasa: Mpanaramaso ny tontolo iainana . Mpikambana: Antonio Cucho Gamboa, Renzo Arauco, Jordi Cook, Juan Luis Peña

Toerana Faharoa: YS. Tetikasa: Fanairana ny Tanàna . Mpikambana: Arturo Ochoa, Riccardo Mija, Franks Samamé, Paul Osorio Schuler

Toerana Fahatelo: #OTA. Tetikasa: EducAya! Mpikambana: Pedro Valverde, Jairo Gutierrez, Daphne Orihuela

Nibitsika momba ireo mpandresy Arzantina i Wingu (@desdewingu) :

Ganadores DAL2012 Argentina

Ireo mpandresy tamin'ny DAL2012 Arzantina. Sary nozarain'i Sandra Crucianelli tamin'ny Facebook

@desdewingu: Tercer puesto #DAL2012 #Argentina para Mapa de asistencia a la víctima @pollatos @alegranza_a @malev pic.twitter.com/nlpQr6uq

@desdewingu: Toerana faha-telo #DAL2012 #Argentina Sarintany ho fanampiana ireo niharam-boina @pollatos @alegranza_a @malev pic.twitter.com/nlpQr6uq

@desdewingu: Segundo puesto #DAL2012 #Argentina Grandes pequeñas ideas! pic.twitter.com/lp8krE2R

@desdewingu: Toerana Faharoa #DAL2012 #Argentina Hevitra Kely Mafonja ! pic.twitter.com/lp8krE2R

@desdewingu: Ganador #DAL2012 #Argentina Puedo jugar solo. Proyecto para niños con autismo de @casaangelman pic.twitter.com/ALCLk2FZ

@desdewingu: Mpandresy #DAL2012 #Argentina Afaka milalao irery aho. Tetikasa ho an'ny ankizy autistea (areti-tsaina tsy tia mifandray amin'ny hafa) nataon'i @casaangelman pic.twitter.com/ALCLk2FZ

Nibitsika momba ireo mpandresy avy any aminy i Data (@DataUY ), any Orogoay :

@DataUY Felicidades a Ombudsman Uy, Me Robaron, y Tu Huerta, los tres primeros proyectos ganadores del #DAL2012 en #Uruguay

@DataUY  Fankasitrahana ho an'i Ombudsman Uy, Me Robaron [Voaroba aho], ary Tu Huerta [Your Veg Patch], ireo telo voalohany tamin'ny #DAL2012 tany #Uruguay

Tahaka izany ihany no nataon'i W3C Brazil (@w3cbrasil):

@w3cbrasil App brasileiro no @DAL hackathon latino americano http://i9bits.com.br/seuLixo/  @w3cbrasil #dadosabertos

@w3cbrasil  ‘Application’ Breziliana @DAL  hackathon Latino Amerikana http://i9bits.com.br/seuLixo/  @w3cbrasil #dadosabertos

Hita ao amin'ny tranonkalan’ny Fampandrosoana an'i Amerika Latina, izay  ahitanao ‘applications’ hafa ihany koa ireo ‘applications’ Boliviana. Ireo bitsika, sary ary tantara kely  avy amin'ny andro faharoan'ny #dal2012 dia hita ao amin'ny Storify.

Andro vitsy sisa andrasana mialoha ny hahafantarana ny mpandresy isam-paritra. Eo am-piandrasana izany, ny tarika izay nandresy tamin'iny dingana iny dia manatsara ny ‘applications’ nataony mba ho tsaratsara kokoa handoloana ireo tarika mpandresy hafa. Mbola hampita vaovao mivantana ihany izahay !

Ireo lahatsoratra hafa mifandraika amin'ity :

Developing Latin America 2012 [en]
Inona marina ny atao hoe hackathon ary inona ny angon-drakitra misokatra?
Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon?
Miha-antomotra ny Hackaton Developing Latin America! 
Andro faha-1 ho fampandrosoana an'i Amerika Latina
Inona ny Manao an-tsarintany an-tserasera [web mapping]? [es]
Brezila : Mangataka Fivoaran'ny Fanadiovana Ny Mponina Ao Rio
Maneho an-tsarintany ifandrimbonana ny ranon'ny vazimba teratany Peroviana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.