Tantara mikasika ny Afrika Atsimo
Afrika Atsimo : Finday, Fitaovana Vaovao Ampiasaina Hiadiana Amin'ny SIDA
“ Ny mety ho fanontaniana dia ny hoe ‘hatramin'ny rahoviana io fomba fiasa io no hahomby ?".
Maninona ireo firenena Afrikàna vitsivitsy no mbola manohy manohana an'i Mugabe
...niresahana indrindra ny momba ny fambolena, ary ireo fampanantenana poakaty, na koa ny fomba tsy mahomby naroson'ny FMI, ary ny valinkafatra avy amin'ireo firenena afrikàna
Hatezerana Satria i Zimbaboe Mitarika Fikambanana Lehibe Erantany
Toy ny hoe tsy ampy ireo korontana manjo an'ireo Zimbaboeana, tohina izy ireo raha nivoaka fa ny firenenan'izy ireo izay tratry nyfahirano no hitantana ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana Maharitra ao anatinà nofy ratsy iray hafa izay i Zimbaboe. Nisy ihany ny fiakaran'i Zimbaboe na dia atao hoe firenena manana ny toekarena mihemotra haingana indrindra sy manana ny fidanganam-piainana avo indrindra manerantany aza izy.
Andron'ny Hetsika Ho An'ny Bilaogy 2008, Mitoraka Bilaogy Momba Ny Fahantrana Ny Afrikana
Andro natao hanokanan'ireo mpitoraka bilaogy maneran-tany tena ho aminà lohahevitra iray manokana amin'ny bilaoginy tsirairay avy ny BlogActionDay (Andron'ny Hetsika Ho an'ny bilaogy ; amin'ny teny anglisy). Ny fahantrana no lohahevitra amin'ity 2008 ity. Manoratra izay heveriny hampihenàna ny fahantrana aty Afrika ny mpitoraka bilaogy tsirairay.
Afrika Atsimo : Ity no “Joule”, Fiara Afrikàna Voalohany Mandeha Amin'ny Herinaratra
Ny fitahirizana ny angovo no tena olana be ara-teknika no sady iray mibahana ny fanekena ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra, manomboka amin'ny lanjan'ny vatoaratra, ny fotoana famahanana azy. Io olana io no ilain'ilay lasitra famarotana vahàna....Mampahatsiahy zavatra anareo ve izany? Eny, ny lasitra ara-toekarena ampiasain'ny telefona finday.
Tontolo iainana : Resaka rano ao Afrika Atsinanana
Mety hiatrika krizin-drano i Afrika Atsimo ary miady ny nosy Migingo kosa ireo firenena afrikana telo mifampizara ny farihy Victoria.
Afrika : Bilaogy miteny anglisy miresaka ny sehatry ny aterineto ao Afrika
''Atolotray ato anatin'ity lahatsoratra ity ireo blaogy fototra mikasika ireo tanora vao mitsiry amin'ny fandraharahàna sy ny fanavaozana teknolojika ao Afrika..''
Fahasalamana/Maneran-tany: Nofoanan'Atoa. Obama ny politikan'ny ”Global Gag Rule”
Nofoanan' ny Filohan'i Etazonia ireo fepetra politika fantatra amin'ny ankapobeny tamin(ny anarana hoe “Global Gag Rule”(amin'ny teny anglisy).
Afrika Atsimo: Horakoraka taorian'ny fandavana ny visa ho an'ny dalaï-lama
''Nandà tsy hanome visa ny dalaï-lama mba hanatrehany fivoriana ho an'ny fandriampahalemana tokony hiseho tao Afrika Atsimo ny fanjakana afrikana tatsimo. Niteraka horakoraka manerana ny aterineto ilay fanapahankevitry ny fanjakana, tao amin'ny Twitter ka hatrany amin'ny Facebook sy ireo blaogy (amin'ny teny anglisy avokoa ireo rohy rehetra).''
Nosy Maorisy: Eo am-panarahana ny dian'i Afrika Atsimo mba hiatrehana ny lasany
Toa an'i Afrika Atsimo sy ny firenena hafa ao Afrika, namorona Vaomieran'ny ''Marina-Rariny sy Fampihavanana'' ny Nosy Maorisy tamin'ny 2008 mba hitsaboana ireo ratra navelan'ny fanandevozana ary koa hitadivana ny firaisampirenena amin'ny alalan'ny dingana fanarenana ny marina ara-tantara.