· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Atsimo tamin'ny Mey, 2018

Fijery iraisampirenena amin'ny fifidianana amerikana

  26 Mey 2018

Raha mihamanatona ny fifidianana amerikana, mifantoka any amin'ny politika ivelany an'ireo kandidà ny mason'ny iraisampirenena. Misy ireo tetikasa toy ny an'ny fahitalavitra antserasera Current TV, Collective Journalism [en], sy ny an'ny Global Voices sy ny Reuters, ao amin'ny habaka Voices Without Votes [en], nandray an-tanana hanolotra ny fomba fijery ankapobeny.

Fahasalamana: Finday Ampiasaina Ho Amin'ny Fahasalamana

  16 Mey 2018

Fikambanana telo mpanao asa soa no nanambatra ny heriny mba hanolotra ireo fikarakaràna mendrika indrindra amin'ny resaka fahasalamana, amin'ny alalan'ny fampiasana ireo finday sy ny informatika. Zavatra manokana katsahan'ireo hetsika teknolojia finday ireo ny hanatsaràna ireo tolotra amin'ny fahasalamana any anatin'ireo firenena andalam-pandrosoana.

Tontolo Iainana: Mpitoraka Bilaogy Momba Ny Angovo, Sy Ny ‘Zero Africa Rally’

  07 Mey 2018

Mpitoraka bilaogy maro no niresaka tamim-pahamalinana ny momba ireo olan'ny angovo, avy amin'ny angovo nokleary, ny 'herinaratra apetaka dia miasa avy hatrany ' ny "Clean Ambitions"- Faniriana Madion'ny shinoa ary ireo Foiben'ny Angon-drakitra Maitso. Na any Afrika Atsimo izany, na any Shina na any Amerika, nahatonga ireo mpitoraka bilaogy hieritreritra vahaolana ny olana momba ny angovo.