Tantara mikasika ny Afrika Atsimo tamin'ny Oktobra, 2018
Afrika : Ry Mpanjaka, aza mampiaka-bady intsony ianao!
Ry Mpanjaka, aza mampiaka-bady intsony ianao! ..Lazaina fa "ny mpanjaka irery ihany no hany afaka manova ny fomba fanao"..Mila mikarakara ny vahoakany ny mpanjaka alohan'ny hikarakarany ireo vehivaviny (vadiny) !
Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity
Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mba hitantana ny hetsika fanentanana amin'ny fanoherana ny kolikoly izy.
Avy any amin'ny kolikoly mankany amin'ny kolontsaina – andran-tsiro iray avy amin'ny tendro atsimon'i Afrika
Politika, fitsarana, hip hop na tononkalo any Afrika Atsimo indray no lohahevitra ao anatin'ity lahatsoratra ity.
Fanentanana momba ny SIDA amin'ny alàlan'ny lahatsary
Aretina mandripaka maneran-tany izay namotika ny fiainan'ny lehilahy, vehivavy ary zaza maro nandritra ny 20 taona mahery ny VIH/SIDA. Anndroany, mitondra lahatsary ho anao izahay, izay miresaka momba ny VIH/SIDA amin'ny endriny maro samihafa: ahoana no hiainana izany, hiarovana ny tenanao tsy ho tratrany ary ahoana no hanentanana momba izany. Avy any Kamerona, hira nahazo loka voalohany tamin'ny resaka SIDA, avy any Arzantina, hetsi-panentanana izay tsy matahotra ny milaza amin'ny tanora ny atao hoe kapaoty sy ny fomba fampiasana azy, ary avy any Beijing, lahatsary mikasika ny fanavakavahana, miaina miaraka amin'ny SIDA ary ny tanjaka hahatonga ilay toedraharaha ho an'ny besinimaro.
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.
Ireo Feo Avy Ao Afrika Atsimo
Nolazaina ho sahala amin'ny paradisa politika mahatalanjona i Afrika Atsimo ary ny tetezamitantsika mankamin'ny demokrasia dia matetika nolazaina ho toy ny zava-mahagaga. Miezaka ny mampiseho endrika tsara sy fahombiazana ny firenena mba hisarihana ny fizahantany sy ireo famatsiambola avy any ivelany[...] ...ny tena zava-misy marina eo an-toerana dia mbola misy eo amintsika hatrany ny tarazon'ny fanavakavaham-bolonkoditra
Inona No Mitranga Ao Amin'ny Tontolombolongana Afrikana
Ho hitanao amin'ny famakiana an'ity lahatsoratra ity ny sombintsombiny vitsivitsy tamin'izay nitranga tao amin'ny tontolombolongana Afrikana.
Miblaogy mikasika ny Vaovao Farany araka ny fomba Afrikana Tatsimo
Raha toa ka manakaiky ny Andro Iraisam-pirenena natokana ho an'ny SIDA amin'ny voalohan'ny volana Desambra isika, niteraka resabe iray hafa indray ilay minisitry ny Fahasalamana miteraka adihevitra be sy malaza ratsy ao Afrika Atsimo, i Manto Tshabalala- Msimang. (2005)
Fitaovana antserasera hanaraha-maso ny fiovaovan'ny toetr'andro
Namonjy ny Fihaonambe momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Copenhagen (COP15) tamin'ny desambra 2009, ity ny santionan'ireo fitaovana an-tserasera hanaraha-maso ny fikorontanan'ny toetrandro. Amin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo, dia afaka mahafantatra bebe kokoa momba ireo fiantraikany ny olon-tsotra, ary manampy amin'ny fanerena ireo mpanapa-kevitra mba hijery vahaolana.
Miriam Makeba: Ilay fihodinana fanaovam-beloma farany ataon'ilay ‘diva’ tian'ny olona indrindra ao Afrika
Hamarana ireo taona nihirany ireo amin'ny alalan'ny fiodinana fanaovam-beloma farany haharitra 14 volana mba hisaorana ireo mponina tany amin'ny firenena nisehoany nandritra ny asany naharitra 40 taona mahery, izay mbola mampientana ihany eo amin'ny faha-73 taonany i Miriam Makeba .