Tantara mikasika ny Afrika Atsimo tamin'ny Jolay, 2017
Tontolo Iainana : Bilaogy Miresaka ny Tontolo Iainana, Angon-Dahatsoratra Manerantany
Miresaka ireo olana marobe mahakasika manokana ny faritra misy azy, nefa mampitebiteby ny erantany ireo bilaogy miresaka ny tontolo iainana manerantany. Saintsainin'ny bilaogy Gorilla Protection (fiarovana ny Rajako) any RDC ny dikan'ilay fifanarahana fandriampahalemana. Avy amin'ny China Dialogue, ny fijerena ny tohin'ilay fihaonana momba ny ady amin'ny fiovaovàn'ny toetrandro tany Bali, ary avy any Afrika Atsimo ireo fanehoankevitra momba ny fahatapahan'ny herinaratra vao haingana sy ny fifaninanana fiara tsy manimba tontolo iainana.
Playing for Change: Fandriampahalemana Amin'ny Alalan'ny Mozika
Misarika ny sainay ny tetikasa fiaraha-miasan'ny mozika manerantany amin'ny alàlan'ny antsoina hoe Playing for Change: Peace through Music (Milalao hisian'ny Fanovana: Fitoniana amin'ny alalan'ny Mozika) ny MeetJohnSong.
Zimbaboe: Endriky ny Krizy Sy Antso Fanampiana
Namoaka ny Time 2 Act (Fotoana Izao Hiasàna), lahatsary antserasera hanehoan'ny vahoaka Zimbaboeana ireo fomba isan-karazany hanimban'ny krizy ao amin'ny firenena ny vahoaka sy ny fari-piainan'ireo tafavoaka velona ny fikambanana CIVICUS