Maninona ireo firenena Afrikàna vitsivitsy no mbola manohy manohana an'i Mugabe

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Koudou, ao amin'ny Agoravox, no manao topimaso malaky ny tantaran'i Zimbaboe izay manazava amin'ny ampahany ny antony mbola anohanan'ireo firenena afrikàna vitsivitsy hatramin'izao (amin'ny teny frantsay).

(Avy amin'ny mpandika: Iriko indrindra raha tsidihanao mpamaky ny rohy etsy ambony. Ho hitanao ao fa sady antony avy any ivelany no antony avy ao anatiny mifamatotra amin'ny tantara fohy nefa mafonja niainan'io firenena io nandritra ny 27 taona, nanomboka tamin'ny nahazoany fahaleovantena. Resahana ao anatin'ny lahatsoratra itondran'ny rohy antsika etsy ambony ny momba ny fambolena katsaka, ny fitsinjarana ny tany hamokarana, ankoatra ny zavatra hafa toy ny fihaonana an-tampony tao Harare niresahana indrindra ny momba ny fambolena, ary ireo fampanantenana poakaty, na koa ny fomba tsy mahomby naroson'ny FMI, ary ny valinkafatra avy amin'ireo firenena afrikàna ).

Lova Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.