Tantara mikasika ny R.D. Kongo
R.D. Kôngô: Fanehoankevitry Ny Mpanohitra Manoloana Ny Fifidianana Fihodinana Faharoa Teren-ko Masaka
Namoaka fanambaràna an-gazety iray ho fanehoankevitra manoloana ny tombatombana mialoha hoe mety efa nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra tao R.D.Kongo i Joseph Kabila (antsoina koa hoe Hyppolite Kanambe) ny UDPS Liege, ilay blaogin'ny antoko mpanohitra UDPS miorina ao Belzika.
Bilaogy ao Zimbaboe, Burundi, RDC, Malawi
Zimbaboe: Feno 82 taona amin'ny volana manaraka i Robert Mugabe, farany amin'ireo "lehilahy lehiben'i Afrika". Nanomboka nimenomenona momba ireo drafitra fikarakarana ny fety tsingerintaona mihoam-pampana ny mpikambana ao amin'ny antokon'ny fitondrana ZANU-PF na dia eo aza ny fitontongan'ny toekarena sy ny hanoanan'ny mponina.
Any Kivu hatrany Gaza : Ny fomba isafidianan'ireo haino aman-jery ny ady ho rakofany
''Fa nahoana no kely ihany ny fifantohantsaina atokan'ny haino aman-jery ho an'ireo ady any Afrika, indrindra ireo loza mahatsiravina mitranga ao Kivu, izany no fanontaniana hatry ny fahagolantany (misisika toy ilay fitiavana hahalàla ny antony tsy hanaovan'ireo haino aman-jery iraisam-pirenena izany raha tsy resaka fifandirana irery ihany, rehefa mandrakotra an'i Afrika izy ireo).''
Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity
Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mba hitantana ny hetsika fanentanana amin'ny fanoherana ny kolikoly izy.
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.
Inona No Mitranga Ao Amin'ny Tontolombolongana Afrikana
Ho hitanao amin'ny famakiana an'ity lahatsoratra ity ny sombintsombiny vitsivitsy tamin'izay nitranga tao amin'ny tontolombolongana Afrikana.
Fanolorana Loka Nobel Momba ny Fandriampahalemana, Hafatra Mavesatra Ho An'ny Fitantanana Ao Amerika
Nifidy an'i Nadia sy Denis ny ambiny taminì'izao tontolo izao, nifidy an'i Donald sy Brett kosa i Etazonia
Feo avy amin'ny “Zimbabwe Plus”
Eny an-dalambe no hitranga ny fanovàna...Fitetezana ireo bilaogy farany indrindra tao Burundi, RDC, Malawi ary Zimbaboe nandritry ny herinandro (voalohany tamin'ny taona 2005).
Manohana Blaogy Afrikana Ny BBC
Hatry ny ela ny BBC no efa mamporisika an'ireo mpamaky sy ireo mpihaino ny tolotra omeny an'i Afrika mba hiresaka ny fomba fijerin-dry zareo mikasika io tanibe io, amin'ny alalan'ny famakiana lahatsoratra
R.D. Kongo: Mpanao fahagagàna, Lalomena mpiangaly mozika ary Takamoa mampahatahotra
Nahoana izy ireo no manohy mino an'ireny mpisandoka marobe milaza ny tenany ho pastora sy mpaminany ireny. Raha tokony ho ny fanahin'ny fizakantena no toriany, ny paosin'ireo mahantra indray no loaran-dry zareo ho takalon'ny fampanantenany fahagagàna, asa, vady, harena, ...