· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny R.D. Kongo tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

  27 Desambra 2018

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.

Ny Loza Nanjo ireo Kongoley Voaroaka Tany Angolà

  16 Desambra 2018

Araka ny fanambaràna nataon'ny Kaomisaià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona (OCHA), nanomboka tamin'ny fiantombohan'ny volana oktobra, olona eo amin'ny 330 000 eo ho eo tsy nanana taratasy ara-dalàna tao amin'ny fireneny no noroahan'ny Governemanta Angoley, indrindra indrindra mankany amin'ireo faritanin'i Kasaï afovoany sy Kwango ao amin'ny Repoblika demokratika an'i Kongo