Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

R.D. Kôngô: Fanehoankevitry Ny Mpanohitra Manoloana Ny Fifidianana Fihodinana Faharoa Teren-ko Masaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2006)

Namoaka fanambarana an-gazety iray ho fanehoankevitra manoloana ny tombatombana mialoha fa mety efa nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra tao R.D.Kôngô i Joseph Kabila (antsoina koa hoe Hyppolite Kanambe) ny UDPS Liege, ilay blaogin'ny antoko mpanohitra UDPS miorina ao Belzika.

Le comité directeur de la Dynamique UDPS Liège s’est réuni en session extraordinaire ce samedi 11 novembre 2006 de 11 heures à 21heures. Après un tour d’horizons de la situation politique et vu la gravité de la situation, le comité porte à la connaissance de l’opinion tant nationale qu’internationale ce qui suit :
– Réaffirmons notre soutien indéfectible au président national de l’UDPS dans sa lutte pour l’émancipation et la libération totale de notre peuple.
– Tenons Kanambe et sa bande responsable des massacres et autres crimes contre l’humanité qui se perpétuent dans notre pays avec la complicité de la communauté dite “internationale”.
– Appelons notre peuple à se mobiliser aujourd’hui plus que jamais autour du président Tshisekedi pour mettre fin à la comédie qui est entrain de se jouer dans notre pays.
– Exigeons l’arrestation immédiate des criminels de guerre qui prennent en otage tout un peuple pour assouvir leur soif machiavélique du pouvoir.
– Appelons notre peuple à une grande mobilisation pour barrer la route à cette mascarade d’élections qui ne vise qu’à profiter de sa naïveté pour légitimer le pouvoir du sanguinaire Kanammbe dit Kabila et ses sbires

– Appelons tous les patriotes à s’asseoir autour d’une table pour examiner les voies et moyens à mettre en œuvre pour la mise en place d’un gouvernement devant mener le peuple vers des véritables élections libres, transparentes et démocratiques

Nivory ny kaomity mpitantana ny UDPS Mavitrika ao Liège tanatina fivoriana tsy anaty fepotoana mahazatra tamin'ity Sabotsy 11 Novambra 2006 ity tamin'ny 11 ora antoandro hatramin'ny 9 ora alina. Taorian'ny fanaovana topimaso ny toedraharaha ara-politika ary araka ny hasarotry ny zava-misy, te-hampita hevitra sady nasionaly no iraisam-pirenena amin'ny zavatra manaraka toy izao ilay kaomity:
– Mamerina manamafy ny fanohananay tsy mety levona ny Filoha nasionalin'ny UDPS izahay ao anatin'ity ady ataony ho an'ny fahafahana sy fanafahana tanteraka ho an'ny vahoakantsika.
– Raisinay ho tomponandraikitra i Kanambe [antsoina koa hoe Joseph Kabila] sy ny vondrony tamin'ireo fandringanana sy heloka bevava hafa tamin'ny maha-olombelona izay atao ato amin'ny firenentsika miaraka amin'ny tsikombakomban'ilay antsoina loatra hoe fiarahamonina ”iraisampirenena”.
– Antsoinay ny vahoaka mba hanao hetsika lehibe androany manodidina ny Filoha Tshisekedi mba hamaranana ny hatsikany miseho eto amin'ny firenentsika.
– Takianay ny fisamborana eo noho eo ireo jiolahinady izay nitazona olona maro ho takalonaina mba hanalefahany ny hetahetam-pahefana ratsin'izy ireo.
– Antsoinay ny vahoakantsika hihetsika mba hanajanonana ity hatsikana amin'ny fifidianana ity, izay tsy mikendry afa-tsy ny fiendrinendriny mba hampanarahan-dalàna ny fahefan'ilay mpandatsa-drà Kanammbe antsoina hoe Kabila sy ny mpanohana azy

– Antsoinay ireo tia tanindrazana rehetra mba hipetraka manodidina ny latabatra handinihana ny fomba hametrahana governemanta iray hitondra ny vahoaka mankany amin'ny fifidianana tena izy, malalaka, mangarahara ary demokratika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.