Tantara mikasika ny R.D. Kongo tamin'ny Aogositra, 2017
Sary Avy Any Repoblika Demaokratikan'i Kongo: Ny Hatsikana Kobolo
Fiara fitateram-bahoaka any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo ny Kobolo. Tondroin'ny teny Kongoley hoe fitoeran'entana amin'ny fiara ihany koa izany.
Bukavu Sy Ny Sisintany Roandey-Kongoley: Tanàna Iray Eo Anivon'ny Ady
Tsy mbola nitondra ny fahalemana sy ny fahamarinan-toerana nampanantenainy foana ireo fifidianana izay ho filoham-pirenena. Manontany tena i Kakaluigi raha toa ny filohan'i Kongo, Joseph Kabila, ka manaraka ireo tombontsoan'ny vahoakan'i Bukavu na ireo an'ny fanjakàna roandey.
Ny Loza Mahazo ny Zavaboary Sy Ny Hita Ao Amin'ny Bilaogy WildlifeDirect
Tsy tena nahomby ny fikasana hamono ny lehiben'ny vondrona mpikomy Lords Resistance Army (LRA) Joseph Kony tao Oganda. Etsy andaniny kosa dia miha-maro ireo sivily niharam-boina. Nisy ny loza niseho nandrava ny Fiarovana ny Zavaboary dia ny fanafihana ny Mpiambina ny Valan-javaboary Garamba nataon'ireo mpikomin'ny LRA tamin'ny 2 Janoary 2009.
Repoblika Demaokratikan'i Kongo: Ady Miantraika Amin'ny Ezaka Fiarovana Ny Rajako (Gorila)
Tsy ampoizina tanteraka ny toe-javatra ao amin'ny Valam-pirenena Virunga ao Kongo. Mihitatra ao amin'ny toerana onenan'ny Rajako arovana ao amin'ny tendrombohitr'i Virunga, toerana fehezin'ireo mpikomy ankehitriny ny ady ao Kongo.