(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009)
Naneho hevitra tamin'ny fomba feno herisetra tamin'ilay ady nisy teo amin'ny Israeliana sy ny Palestiniana ireo haino aman-jery Indoneziana nentim-paharazana, indrindra ireo gazety sasany sy fahitalavitra mpanohana ny Islamika. Tamin'ny alalan'ireo fampahalalam-baovao ireo, hitantsika fa manolotra ”fampiofanana ara-miaramila” ireo vondrona mpanao an-tendrony mba handehanan'ny sasany hiady any Palestina ho an'ny jiady. Efa nanamarika ihany koa ny haino aman-jery fa nanafika sinagôga sasany ireo vondrona ireo ary miampanga ny ‘jiosy” ao Indonezia ho ”tomponandraikitra” amin'ny zavatra mitranga ao amin'ny lemak'i Gaza ankehitriny.
Tany amin'ireo maoske indoneziana, niresaka mikasika izany vaovao izany ny toritenin'ny andro Zoma. Mihevitra ny [mpino] sasany fa ady eo amin'ny finoana silamo sy ny ”fahavalon'ny finoana silamo” ity fifandirana ity. Israely misolo tena ”ireo jiosy”, raha i Etazonia izay miaro an'i Israely amin'ny ankapobeny kosa no ”Tandrefana” sy ”ireo kristianina”. Raha fintinina, toa milaza izy ireo fa ao amin'ny lemak'i Gaza, eo an-dalam-pamongorana ”antsika” ”ny fahavalon'ny finoana silamo”.
Kanefa, ary tamin'ny hagagako lehibe [tamin'ny fanangonana ity fitetezana blaogy ity], tena amin'ny endrika hafa mihitsy ny fomba ijerin'ireo blaogera indoneziana ity fifandirana ity. Somary matotra kokoa izy ireo manoloana ity fifandirana ity raha oharina amin'ny ankamaroan'ireo haino aman-jery nentim-paharazana lehibe. Ndeha alaina ho ohatra ilay blaogy mitondra ny anarana hoe ‘different is not war‘ [amin'ny teny bahasa, toy ireo blaogy rehetra voatanisa] izay manana fahalalana ara-tantara tsara mikasika ny fototr'ilay fifandirana.
Bahkan lembaga Internasional sekalipun (dibaca: PBB) tak dapat menghentikan tragedi kemanusiaan di kawasan Timur Tengah khususnya dalam konflik Israel-Palestina. Kedua entitas politik ini telah “bertarung” di kawasan Timur Tengah semenjak berdirinya negara Israel pada tahun 1948.
Raha hafohezina, tsy mihevitra ireo Israeliana rehetra ho ”sionita” izay amin'ny ankapobeny dia tia mampiasa ny herisetra amin'ireo Palestiana izy ireo.
Milaza mazava ihany koa ilay blaogera, Anindito Baskoro “Joe” Satrianto, mpianatra ao amin'ny Sampana siansa silamo, ao amin'ny Oniversite Silamo ao Indonezia, fa tsy misy idiran'ny resaka finoana ny ady misy eo amin'i Israely sy i Palestina.
Sampai saat ini aku masih nggak bisa nerima kalo besok diramalin bakal beneran ada perang besar antara Muslim dan Yahudi, sekalipun yang bilang gitu itu Nabiku sendiri… Maka seperti kata Hugo Chavez yang berani memulangkan dubes Israel dari negaranya, Israel-Palestina ini bukan konflik agama. Ini konflik kemanusiaan!
Nanoratra tao amin'ny blaoginy ihany koa i Gantyo Koespradono momba ireo fiarahamonina israeliana sy palestiniana. Mampatsiahy izy fa misy silamo sy kristianina ihany koa any Palestina, izay samy miady ho an'ny fahafahan'ny fireneny avokoa.
Berdasarkan sejarah Palestina, generasi demi generasi, mayoritas warga Palestina Muslim dan penduduk Palestina Kristen hidup berdampingan secara damai. Mereka mencintai tanah air yang sama, mereka memiliki cita-cita nasional yang sama pula. Keduanya sama-sama memimpikan kehidupan yang aman dan damai sebagai bangsa yang majemuk…, mereka sama-sama berjuang demi tanah air Palestina yang merdeka, yang adil dan makmur…
Manonona olo-malaza maro teo amin'ny tantaran'i Palestina sy ny finoana kristianina izy, toa an'i Emil Habibi,George Habash, Azmi Bishara, ary i Hanan Ashrawi, izay nitàna anjara toerana lehibe tao amin'ny politika palestiniana. I Raymonda Tawil ihany koa, palestiniana mpikatroka sady kristianina, no rafozambavy farany ho an'i Yasser Arafat.
Ho famarànana, ady ho an'ny fahafahana ny ady ataon'i Palestina ary tsy resaka fivavahana ity fifandirana ity : toa maharaka vaovao sy matotra kokoa noho ny ankamaroan'ireo haino aman-jery indoneziana nentim-paharazana ireo blaogera indoneziana.