Наш аграрний експорт охоплює майже 190 країн! Побачите за кордоном укр.продукцію – повідомляйте, викладайте фото! Пишаймося разом! #Україна
— Олексій Павленко (@Pavlenko_OM) September 5, 2015
Manondrana voka-pambolena amin'ny firenena efa ho 190 izahay! Raha mahita vokatra Okrainiana ianao dia ampahafantaro anay, mamoaha ny sarin'izy ireny! Andao ho afa-mirehareha amin'izany.
Efa ho tapabolana izay no nandefasana ny flashmob, tokotokony ho tamin'ny 5 Septambra teo. Hatramin'izay fotoana izay ny mpisera twitter no namoaka sarin-tsakafo Okrainiana an'arivony any amin'ny fivarotana manerana izao tontolo izao. Ny ankamaroan'ny tsanganana nivoaka dia avy any Etazonia, Alemaina, Letonia, Shina ary Emirà Arabo Mitambatra.
Nandritra ny antsafa nataony tao amin'ny Radio Liberty i Pavlenko niteny fa ny tanjona voalohan'ny fandraisana an-tanana an-tserasera #FoodUA dia ny hampiseho fa manana otrika matanjaka ny seha-pambolena okrainiana. Nilaza ihany koa ny minisitra fa te-handrendrika anganongano anankiroa izy. Tsy maintsy resahina ny finoana malaza eo amin'ny Okrainiana fa mitodika fotsiny any amin'ireo firenena ao amin'ny Firaisamben'ny Repoblika Sosialista Sovietika taloha fotsiny ny fanondranana voka-pambolena ary ny ankamaroan'izy ireo dia mbola amin'akora fa tsy voahodina.
“Nasehon'ity flashmob ity fa mamoaka vokatra efa voahodina maro izahay ary afa-mividy izany any amin'ireo mpivarotra voka-pambolena sy fiompiana lehibe any ivelany aza ianao. Misy tsirony, malaza ary ambony sanda izy ireny,” hoy i Pavlenko.
Value-added goods is a significant part of #Ukraine‘s exports #FoodUA #agriculture #agribusiness pic.twitter.com/yf4sbTROdO
— Олексій Павленко (@Pavlenko_OM) September 16, 2015
Manana anjara toerana lehibe amin'izay aondran'i Okraina ny entambarotra ambony sanda
Raha ankinina amin'ny fanadihadiana ireo tsanganana twitter manana ny diezy #FoodUA, dia hita amin'ny dimy malaza indrindra mielipatrana amin'ny sakafo okrainiana ny sôkôlà sy vatomamy (manjaka amin'izany ny marika Roshen, an'ny filoha okrainiana Petro Poroshenko), karazan-degioma rehetra atao vinaingitra, menaka tanamasoandro, saosy voatabia, ary voambarimbazaha mainty.
Українська олія у найбільший світовій мережи Walmart USA на підтримку @Pavlenko_OM та #FoodUA pic.twitter.com/oN02oX4Grt
— Andrew Demchenko (@a_demchenko) September 14, 2015
Menaka tanamasoandro okrainiana ao amin'ny Walmart USA, fikambanam-barotra [supermarket] lehibe indrindra manerantany, ho fanohanana an'i @Pavlenko_OM sy ny #FoodUA
@Pavlenko_OM В Швейцарії гречка з України #FoodUA pic.twitter.com/dydX4LPaU0
— Irina Shkorbotun (@IrinaShkorbotun) September 6, 2015
voambarimbazaha mainty okrainiana ao Soisa #FoodUA
#FoodUA Рошен в американских супермаркетах. Нью-Йорк. pic.twitter.com/YnW1teKVLN
— Надежда (@NadinAktiv) September 7, 2015
#FoodUA Roshen ao amin'ny tsenambarotra goavana Amerikanina. New York.
Zavatra hafa tsy dia malaza indray no ahitana toaka sy voaketsihetsy.
@Pavlenko_OM @aivaras_aivaras українське шаспанське в магазині Швейцарії. pic.twitter.com/vL4iYgrX4y
— Вермінський Андрій (@Verminskyy) September 6, 2015
Divay okrainiana misy etona amin'ny talantalana soisa.
“Перлина Інкермана” 2013 р. на полицях берлінських супермаркетів доводить, що Крим – Україна #FoodUA @Pavlenko_OM pic.twitter.com/yqmsQgQeY6
— Andrij Melnyk (@MelnykAndrij) September 16, 2015
“Ny Perlan'ny Inkerman” tamin'ny 2013 eo amin'ny talantalan'ny tranombarotra goavana ao Berlin no manaporofo fa Okraina i Krimea.
А це – укр кавун на базарі у Гельсінкі @Pavlenko_OM pic.twitter.com/TKA9gafQW9
— Andrii Olefirov (@AndriiOlefirov) September 12, 2015
Ary ity indray dia voanketsihetsy okrainiana ao amin'ny tsena iray ao Helsinki.
Raha jerena amin'ny isan'ny fanehoan-kevitra sy ny fampitan-kafatra, ny nahatalanjona indrindra ny Okrainiana dia ny sarin'ny sira fahandroan-kanina “made in Ukraine” [vita tao Okraina] hita tao Shipra voapetaka vidy 2,26 Euros ($2,56). Raha tarafina, tsy vonona ny handoa vidin-taharo Okrainiana tena izy amin'ny vidiny eoropeana ny Okrainiana zatra mandoa tsy mihoatra ny $0,16 isaky ny kilaograman'ny (2.2 lb) sira fahandroan-kanina.
Наша сіль в супермаркетах Кіпру цінується високо #FoodUA #Cyprus pic.twitter.com/kUDe8A0RFs
— Yevheniia Dychko (@racunishka) September 7, 2015
Tahaka ny misanda ambonimbony any amin'ny tranombarotra goavana ao Shipra ihany izany sirantsika izany #FoodUA.
Niara-nametraka sarintany ifarimbonana hametrahana fangitra izay toerana [firenena] rehetra nahazoana sary tamin'ny flashmob [hetsika sary indray mipika] ny mpanao gazetin'ny Radio Liberty ao Okraina. Ahariharin'ny sarintany ny efa nivoaka amin'ny sary: Tsikaritra ho hita (sady malaza) manerantany ny sakafo Okrainiana. Tendreo tsirairay ny marika eo amin'ny sarintany raha hijery ny sary ao amin'io toerana notendrena io.