Ny olona efa nanatrika na nampianatra tany amin'ny sekoly Japoney no afaka milaza aminao fa tena anisan'ny zava-dehibe indrindra mandritra ny tontolo andro ny sakafo atoandro (給 食, kyuushoku) any an-tsekoly.
Tsy manome sakafo ihany izany fa manome fahafahana ho an'ny mpampianatra sy ny mpianatra mba hifandray amin'ny alalan'ny fiaraha-misakafo.
Raha karakarain'ireo mpiasa mikarama feno any anaty lakozia lehibe na ao an-tsekoly na amin'ny toerana afovoan-tanàna izay misahana sekolin'ny distrika iray manontolo ny sakafo atoandro amin'ny ankapobeny, dia ny mpianatra kosa no tompon'andraikitra amin'ny fanoloran-tsakafo amin'ny mpiara-mianatra amin'izy ireo.
Nanatontosa lahatsary feno torohay manome fomba fijery lehibe ao anatiny amin'ny maha-zava-dehibe ny sakafo atoandro any an-tsekoly amin'ny fianarana any amin'ny sekoly ao Japàna ny Cafeteria Culutre (Kolontsain-kafe na CafCu) avy ao New York, izay manana iraka hanana fomba fiasa tsy isian'ny fako any amin'ny sekolim-bahoaka sy hanana vondro-piarahamonina manaja ny toetrandro.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...